Na dia somary nangina tanteraka aza ny teto an-drenivohitra omaly noho ny fisian’ilay fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny filoham-pirenena mivady tamin’ireo ambasadaoro sy tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny dia tsy nanakana ny fikambanana Wake Up Madagascar tsy hanao hetsika izany.
Niara-nirona nilanja sora-baventy teny Antaninarenina ireo mpikambana omaly maraina naneho ny tsy fankasitrahany izany, indrindra fa ny famahanan’olona teny Iavoloha.Asa maika tokony hotanterahin’ny Fitondram-panjakana hoy Rafidison Ketakandria, mpikambana eo anivon’ny Wake Up Madagascar ny fijerena ireo olona miisa 1.400.000 lasibatry ny kere any Atsimo fa tsy ny famahanan’olona mihoatra ny 1.400 isa teny Iavoloha. Tsy tokony ho lanilaniana fahatany tahaka izany ny vola hoy hatrany ity mpikambana eo anivon’ny Wake Up ity satria mbola betsaka ireo vahoaka Malagasy no tena sahirana. Azo hatao amin’ny fomba hafa ihany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao hoy hatrany Rafidison Ketakandria satria ireo efa voky teo hatramin’izay ihany no mbola vokisana. Tsiahivina moa fa anisan’ny fikambanana iray mijoro hatrany ity fikambanana ity rehefa misy zavatra mahakasika ny fiainam-bahoaka mivantana tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.