Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Te hitarika ny vondron’ny mpanelanelana ?


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Lasa aloha loatra raha ny nambaran’i Fetison Rakoto Andrianirina ny fiantsoana fivoriana karakarain’ny Raiamandreny Mijoro manomboka amin’ity anio ity eny Ivato.

Aminy mantsy dia tokony hifandamina sy hampivondrona ny heriny aloha ny vondrona mpanelanelana rehetra eto Madagasikara izay vao miantso ireo mpifanandrina ara-politika. Azoko antoka, hoy i Fetison Andrianirina fa tsy ho avy eny Ivato avokoa ireo vondrona politika 11 tany Gaborone sy ny herivelona hafa eto amin’ny firenena. Raha ny Cnosc indray no mampivory dia tsy mbola ho feno ihany ny isa satria tsy ho avy ao koa ny vondrona politika hafa. Efa nisy, hoy ity lehiben’ny delegasionina Ravalomanana teo aloha ity ny taratasy nalefany tany amin’ireo vondron’ny mpanelanelana mba hanentanana azy ireo hifampidinika sy hampitovy ny tadin-dokanga aloha izay vao mampivory ny hafa.

Nambarany fa samy nahazo izany taratasy izany avokoa na ny Raiamandreny Mijoro na ny Cnosc, saingy tsy mbola nisy aloha hatramin’izao ny valin-teny ofisialy. Azo tarafina amin’izany rehetra izany fa manam-paniriana ny hampivondrona ireo mpanelanelana eto an-toerana i Fetison Rakoto Andrianirina ary tsikaritra mihitsy aza fa te hitarika io vondrona iray lehibe io. Izy rahateo efa nilaza fa tsy momba ny atsy na ny aroa no sady mahafantatra tsara ny zavatra takian’ny sehatra iraisam-pirenena sy ireo dingana rehetra tsy maintsy handalovana amin’izany resaka fanelanelanana izany. Izy rahateo dia efa hatry ny ela no tazana mihaona mangingina amin’ireo mpanao politika sy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny FAT ka nahatonga ny sasany nilaza fa mpamadika an’i Dada izy, ary te hahazo seza ao amin’ny fitondrana na dia nilaza ny mifanohitra amin’izay aza ny tenany.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT