Politique

Fetison Rakoto Andrianirina New York sa ny fampiharana ny tondrozotra no maika ?


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

“Aza atao kitoatoa ny fiainam-pirenena. Inona no maika na dia samy ilaina daholo aza : New York sa ny fampiharana ny tondrozotra ?”, hoy ny fanontaniana apetrak’i Fetison Rakoto Andrianirina, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny.

 Voasonian’ny ankamaroan’ireo hery politika ny sori-dalana nasiam-panitsiana, araka ny fanazavany fa ny fampiharana azy no tena zava-dehibe. Mitaky finiavana avy amin’ireo mpanao politika izany ka samy hitazona ny anjara andraikiny ny tsirairay. Ny fametrahana ny tetezamita ara-dalàna, handraisan’ny rehetra anjara izao no dingana manaraka. Manoloana izany indrindra dia heverin’i Fetison Andrianirina fa anisan’ny asa voalohany tokony hataon’i Andry Rajoelina, araka izay voasoratra ao amin’ilay sori-dalana nasiam-panitsiana, ny fandravana tsy misy hatak’andro ny governemanta, eo koa ny fanendrena ato anatin’ny 72 ora ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, araka izay anarana omen’ireo vondrona politika.

Tokony hisy koa fihaonan’ireo hery politika rehetra sy ny filohan’ny tetezamita ary ny praiminisitra hananganana ny governemanta, sy ireo rafitry ny tetezamita toy ny Filankevitra ambony, ny Kongresy, ny Vaomiera mahaleotena hisahana ny fifidianana. Eo koa ny fametrahana ny rafitra araka ny lalàna hisiana fitoniana sy fahatokisana ka anisan’ireny ny amnistia sy ny fampihavanam-pirenena. Miantso ireo hery hafa rehetra toy ny antoko politika tsy mbola tafiditra, ny fiarahamonim-pirenena, ny fikambanana isan-karazany toy ny sendika koa i Fetison Rakoto Andrianirina mba hanatevin-daharana amin’ny fanaovan-tsonia io sori-dalana nasiam-panitsiana io. Miantso ny vahoaka koa ny tenany fa mila hampiharina io sori-dalana nasiam-panitsiana io.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT