Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Namelabelatra ny demokrasia


  • Zoma 16 Septambra 2011

Tsy namela handalo fotsiny ny andro iraisam-pirenena momba ny demokrasia Atoa Fetison Rakoto Andrianirina sy ny fiaraha-mientana ho fiarovana ny ara-drariny, fa nanatanteraka famelabelaran-kevitra mikasika azy io.

 Ny fisian’ny fifandraisana eo amin’ny demokrasia sy ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara no nataony tamin’izany izay nanamarihany fa fanoitra lehibe hisian’ny fampandrosoana ny fampiharana ny demokrasia. Hatramin’izay mantsy, hoy ny nambarany dia misy hatrany ny tsy fifamindrana fahefana araka ny safidim-bahoaka teto amintsika. Izany indrindra no nanaporofoan’i Fetsion sy ny namany fa raha te hampandroso ny firenena dia tokony hisy ny sata mifehy ny politika sy ny fanajana ny ara-drariny sy ny lalàna. Navahany manokana ihany koa fa tsy mitovy ny atao hoe fampitomboana sy ny fampandrosoana. Iry voalohany izay nofaritany fa fiakarana sy fitaran’ny zavatra iray, tsy mihevitra ny manodidina azy, fa ilay faharoa kosa dia ny fahatsaran’ny fiainana mihitsy. Ilaina, hoy izy, araka izany ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena tsirairay, mba hisian’io fampandrosoana maharitra io.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT