Politique

Fetison Rakoto Andrianirina Miantso fifampiresahana ho fanavotam-pirenena


  • Talata 23 Aogositra 2011


 Manao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny  fanambarana nataon’ireo Filoham-panjakana sy Governemanta mpikambana ao amin’ny SADC niatrika fivoriana an-tampony tany Luanda ny 17 sy 18 aogositra 2011 teo, rehefa nandinika ny tatitra nataon’ny Filohan’ny Filankevitra momba ny raharaha politika, fiarovana sy filaminana, ka nanome alalana ny Troika/SADC, hotronon’ny mpanelanelana, mba hampifanatona an’ireo Vondrona politika ka handinihin’izy ireo ny fampiharana ny tondrozotra izay tokony hasiam-panitsiana, araka ireo fanapahan-kevitra noraisina tany Sandton tamin’ny 12 jona 2011. Ho an’i Fetison Rakoto Andrianirina dia mazava ny resaka : “tsy anjaran’ny mpanelanelana velively, indrindra moa ho an’ireo mpiara-miasa aminy na ho an’ny sehatra hafa, ny hanery vahaolana ho an’i Madagasikara raha tsy efa nifanarahan’ireo Vondrona politika malagasy. Ilay tondrozotra natolotry ny rafitra mpanatanteraky ny SADC, izay nodisoan’ireo mpiara-miasa amin’ny mpanelanelana, koa dia tsy mbola mifanaraka tanteraka amin’ireo tapaka tany Sandton, ka nahatonga an’ireo Filoham-panjakana sy Governemanta eo anivon’ny SADC nivory tany Luanda, hangataka indray fifampidinihina miaraka amin’ireo Vondrona politika Malagasy”.

Ilaina maika noho izany ny fiantsoana fifampiresahana miainga amin’ny foto-kevitra sy ny soatoavina, hoy i Fetison, ho tohin’ilay antso ho an’ny manam-panahy sy olon-kendry nataony, izay tsy mifanalavitra amin’ny torolalana nomen’ny SADC tao Sandton. Fifampiresahana ho fanavotam-pirenena, moa no iantsoany azy io. “Tsy fifanarahana na fanelanelanana vaovao no atao fa fikatsahana kosa izay mety hahasoa manoloana ny fahasahirananan’ny firenena, izay efa latsaka ankaterena tokoa ankehitriny”, hoy izy. Maika noho izany ny fifampiresahin’ireo Vondrona politika te hamaha marina izao olana izao sy mahatsapa ny loza miandry ny firenena raha toa ka tsy misy ny marimaritra ifanarahana, izay antoka iray hiverenan’ny demokrasia eto Madagasikara.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT