Miditra amin’ny taona fahatelon’ny fitondrana Rajaonarimpampianina isika izao, tsy mbola hita foana ny lalana hivoahana amin’izao fahantrana izao.
Ny vahoaka terena hanao ezaka hifehy ny fandaniana sy hihafy, nefa ny fitondrana anefa toa manao fiainan’ny mpanankarena. Resadresaka tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina.
Tia Tanindrazana (T.T) : Nilaza ny filoham-pirenena tamin’ny faran’ny taona 2016 fa tsy vahoaka voaozona ny Malagasy. Ny zava-miseho ankehitriny anefa toa manohitra an’izany. Tsy misy jiro, mijaly amin’ny famatsiana rano, miakatra ny vidim-piainana, indrindra fa ny vary, hiakatra ny saran-dalana… Mety hisy andro mihiratra ho an’ny Malagasy ihany ve antenaina ?
Fetison Rakoto Andrianirina : Hatreto dia azo lazaina fa tsy nahomby ny tetika nitondran’izao fitondrana izao ny raharaham-pirenena. Tsy mahagaga izany satria hita fa na ny politikam-pivoarana noheverina hitondrana vahaolana ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy amin’ny ankapobeny. Miditra amin’ny taona fahatelon’ny fitondrana Rajaonarimpampianina isika izao, tsy mbola hita foana ny lalana hivoahana amin’izao fahantrana izao. Ny famatsiam-bola tsy mbola azo.
T.T : Raha maheno anao, tsy misy ny fanantenana. Inona no vahaolana azonao sy ny antokonao, Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy, aroso ? ‘Ndeha raisina tsirairay ireo olana voalaza ireo. Ny fahatapahan-jiro lavareny…
Fetison : Diso aoriana loatra vao nahatsapa ny mpitondra fa misy ny angovo azo havaozina na avy ny masoandro na ny avy amin’ny tohodrano. Mila roa ka hatramin’ny efa-taona anefa ireny vao afaka manome herinaratra tsy hamaha ny olona ankehitriny. Vahaolana : (i) hahena ny fandaniam-bola ao amin’ny Jirama. Ny Jirama dia very vola tsy latsaky ny 800 lavitrisa Ariary isan’andro raha mihodina daholo ny milina manome herinaratra, (ii) tsy maintsy hampitomboana haingana ireo milina mpamatsy ny herinaratra mandeha amin’ny menaka mavesatra ary jerena manokana ny vidin’ny herinaratra. Etsy an-danin’izany, fehezina ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny halatra solika.
T.T : Momba ny famatsian-drano… ?
Fetison : Mifampiankina moa ny rano sy ny jiro. Rehefa tsy misy herinaratra entina hampiodinana ireo fitaovana mizara ny rano dia ho tapaka foana ny rano. Etsy an-kilany, tsy nilaina ny fampihorohoroana fa tsy hisy intsony ny rano kanefa afaka namatsy antsika ihany ny tohodrano tao Tsiazompaniry. Tsy ilaina fierana amin’ny vahoaka ny fandatsahana orana raha toa ka nilaina. Anjara asan’ny tompon’andraikitra ny hahalavorary ny fiainam-bahoaka.
T.T : Toa tsy ho ampy, hono, ny vary amin’ity taona ity. Inona no vahaolana ?
Fetison : Toa mahafinaritra an’izao fitondrana izao ny mampitebiteby ny Malagasy. Diso famindra izy raha toa ka izay no heveriny fa hahalalan’ny vahoaka fa miasa izy. Miteraka fikorontanana eo amin’ny tsenam-bary ny filazana fa latsaka 80% ny voka-bary amin’ity taona ity. Tsy fahaiza-miasa izany. Hany ka tsy voafehy ny fiakaran’ny vidim-bary. Ny tokony hataon’ny tompon’andraikitra dia manangana toeram-pivarotam-bary azo arahi-maso hahafahana mifehy tsara ny vidim-bary. Tsy hisy tokantrano hahazaka sy hahavidy vary 2.000 na 2.500 Ariary isan-kilao izany. Atahorana ny korontana.
T.T : Tsy nahefa ny vola fanome an’ireo mpitatitra ny fitondrana. Hampiakatra ho 500 Ariary ny saram-pitaterana eto an-drenivohitra ireo mpitatitra. Tsy misy vahaolana hafa ve ?
Fetison : Tsy mbola mivoaka ny famatsiam-bola ivelany. Sahirana ny fitondrana mijery ny fomba hampandehanan-draharaha. Tsy voahaja ireo teny nifanomezana. Tsy mamaly ny filàna ara-tsosialin’ny mponina ny politika napetrany. Ny Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS) dia mihevitra fa tsy zakan’ny Malagasy ny handoa izany 500 Ariary izany. Tokony haverina ny fifampidinihina sy ny fiaraha-miasan’ny mpitatitra sy ny fitondrana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny fifehezana ny fitateram-bahoaka. Tsy maintsy hamafisina ny fanampiana ireo mpitatitra hitazonana ny saran-dalana ho 400 Ariary farafahakeliny. Vola 80.000 Ariary isam-pianakaviana, raha kely indrindra, no ilaina momba ny fitateram-bahoaka. Tsy zakan’ny ankamaroan’ny Malagasy izany.
T.T : Raha maheno anao, tsy misy antenaina firy izany ho an’ny vahoaka Malagasy ?
Fetison : Tsy mbola mety amintsika eto Madagasikara ny politikam-pahalalahana. Ny hita sy tsapa dia ny vahoaka no terena hanao ezaka hifehy ny fandaniana sy hihafy. Ny fitondrana anefa toa manao fiainan’ny mpanankarena. Tsy misy afa-tsy ny politika mijery ny sosialim-bahoaka sy ny andavanandrony no mety amintsika, foto-kevitra ijoroan’ny RDS hatramin’izao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.