Lasa teny manidina fotsiny ilay antso ataon’izao fitondrana izao ny amin’ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fampandrosoana. Mifanalavitra amin’izany ny zava-misy.
Aiza ny fiahiana ny Malagasy ? Aiza ny fitsinjarana ara-drariny ny harenan’i Madagasikara ? Tafa nifanaovana tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina, filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy.
Tia Tanindrazana (TT) : Anisan’ireo nafana fo nitarika ny tolona ho fiverenana amin’ny tany tan-dalàna tamin’ny taona 2009 ianao. Afa-po ve ianao amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ankehitriny ?
Fetison Rakoto Andrianirina : Diso laharam-pahamehana ny mpitondra antsika sy ireo izay te haneho fitiavan-tanindrazana. Mbola lany andro amin’ny seho ivelany sy adilahy politika kanefa ny fahantran’ny Malagasy efa tsy hita izay hilazana azy. Aseho amin’ny fanomezan-danja amin’ny maha olona ny Malagasy ny fitiavan-tanindrazana dia tsy namoy ny ainy tsy amin’ny antony ireo maherifontsika tamin’ny 1947. Ankehitriny, na dia nandaniana taona maro aza no fitadiavam-bahaolana ho an’ity firenena ity, tsy nitera-boka-tsoa ho an’ny Malagasy izany satria tsy niova ny fomba fanao sy fitantanana.
TT : Raha mihaino anao izahay, diso fanantenana amin’izao fitondrana izao izany ianao ?
Fetison : Fanantenana sy fiovana no nandrandrain’ny Malagasy rehefa misy mpitondra vaovao. Fanantenana ho amin’ny fiainana tsaratsara kokoa, fiovana eo amin’ny fomba fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy izaho irery no diso fanantenana fa maro ireo miaina izany. Aiza ny fiahiana ny Malagasy ? Aiza ny fitsinjarana ara-drariny ny harenan’i Madagasikara ? Afaka misitraka ireo farafahakeliny toy ny fitsaboana, ny fandriampahalemana, ny asa fivelomana ve ny ankamaroan’ny mponina ? Mitaintaina sy mitebiteby foana ny Malagasy. Tsy fiainana intsony izany ! Tsy mbola diso aoriana anefa izao fitondrana izao. Ho hain’izao fitondrana izao ve ny hanova fihetsika sy fomba fiasa hentitra ho tombontsoan’ny Malagasy ?
TT : Midika ve izany fa lasa mpanohitra ny Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy na ny RDS ?
Fetison : Tsy manana olom-boafidy eny amin’ny Antenimiera izahay. Tsy avelan’ilay Lalàna Fototra tamin’ny 2010 izay mpampisara-bazana ny Malagasy, hijoro ho mpanohitra izahay, indrisy ! Raha tsy mitandrina ny fitondrana dia lasa eny an-dalambe ny fanoherana. Ady efa natrehana hatramin’izay anefa ny tsy hisian’izany intsony. Rehefa tsy misy intsony ny fifampitokisana, tsy misy intsony ny sehatra hanehoan-kevitra fa havela hitabataba ny fahanginan’ny Malagasy, dia tsy hahagaga raha hitranga tsy ho ela ny korontana. Mbola ho zakantsika ve izany ?
TT : Karazan’ny manjaka tokana ihany izao fitondrana izao satria tsy misy sahy mijoro ho tena mpanohitra ianareo tsy ao anatin’ny fitondrana. Mbola manantena fiovana ho amin’ny tsara ve ianao ?
Fetison : Lasa teny manidina fotsiny ilay antso ataon’izao fitondrana izao ny amin’ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fampandrosoana. Mifanalavitra amin’izany ny zava-misy. Maridrefy tsy azo iadian-kevitra ny tsy fahatomombanan’ny fiainan’ny Malagasy ankehitriny. Tsy misy izany maro an’isa manome hasin’ny Malagasy izany eto ary koa anefa, indrisy, tsy misy koa mpanohitra. Ny any amin’ny Antenimiera tsy misy sahy mijoro, ny ivelan’ny Antenimiera tsy eken’ny Lalàna Fototra. Raha ny fizotran’ny toe-draharaha anefa, dia ilaina ary takiana mihitsy ny fijoroan’ny fitambaramben’ny mpanohitra, indrindra moa tany milaza fa demokratika i Madagasikara.
TT : Inona izany no vahaolana ?
Fetison : Raha tsy mbola vonona ny fitondrana ny hanambatra ny heriny hikatsahana ny fampandrosoana marina ho an’ny Malagasy dia avelao kosa ny mpanohitra haneho ny heviny ho fanatsarana izany. Fampidinana ny vidim-piainana, fanomezan-kasina ny Malagasy amin’ny alalan’ny fampahafantarana azy ireo ny zava-misy marina, ny fanamafisana ny fandriampahalemana, ny fitsinjovana ireo tena sahirana… Ireo fotsiny no tanteraka aloha dia efa afaka hampitony ny tebitebin’ny Malagasy.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.