«Ny adidy tokoa tsy an’olon-dratsy», koa arahabaina ianao ry Malagasy nahefa ny adidy amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny fandatsaham-bato koa misaotra indrindra fa anjara biriky entinao hanorenana ny hoavin’ity firenena ity ny fanehoanao ny safidinao, hoy ny kandidan’ny antoko RDS (Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy) Rakoto Andrianirina Fetison tamin’ny fanambarana nataony omaly. Marina fa tsy mbola fantatra izay tena ho vokatry ny fifidianana, hoy izy, nefa “te haneho sahady aho fankasitrahana ho an’ireo rehetra nifidy ahy. Zava-dehibe amiko izany fa hery atafinareo ahy hiatrehako hatrany hatrany ny hoavy”. Kihon-dalana eo amin’ny fiainantsika iny fifidianana iny koa enga anie mba samy hahay hanaja izay safidin’ny tsirairay ny rehetra. Ny faniriako dia ny ahaizan’izay ho lany ho Filoha hampiombona sy hampandroso ny Malagasy tsy ankanavaka. Malagasy manana ny hasiny sy Madagasikara mendrika no tanjona. Niaiky Rakoto Andrianirina Fetison fa nisy ny tsy tomombana, ny indro kelin’ny mpandrafitra noho ny tsy fahampiana ara-bola. Amin’ny maha-mpitolona antsika anefa, hoy izy, dia tano ho ampinga mandrakariva ny fanantenana.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.