Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Be no miahiahy ny hisian’ny fifidianana filoham-pirenena taorian’ny nanilihan’ny CES ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana. Aza avela ho ny hafa no hamaritra ny hoavinao sy ny ankohonanao, hoy i Fetison Rakoto Andrianirina tamin’ny resaka nifanaovana taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Ahoana ny fahitanao ny fivoaran’ny toe-draharaha ankehitriny, indrindra mikasika ny fanilihana ny Ankolafy Ravalomanana, amin’ny maha lehiben’ny Ankolafy anao teo aloha ?
Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : Malahelo tokoa ny tenako mahita ny hakiviana hita taratra eo amin’ny mpanara-dia ny Ankolafy Ravalomanana sy ireo rehetra mitaky ny fiverenana amin’ny fitondrana ara-dalàna. Ireo izay mba nantenain’izy ireo hotohanana amin’ny fifidianan-koavy izao dia tsy afaka ny hanao izany. Dia ho sanatria tokoa ve ka ho very maina fotsiny ny ezaka natao hatrizay ? Antso no ataoko ho azy ireo, aza kivy ary aza miraviravy tanana. Misy foana ny fomba hanohizana ny tolona.
T.T : Mahita kosa ve ianao fa rariny izao mahazo ny Ankolafy Ravalomanana izao ?
FRA : Efa nataon’ireo Mpitarika ny Ankolafy avokoa ny ezaka rehetra ahatrarana ny tanjona sy ho famaliana ny hetahetan’ireo mpitolona kanefa moa ireny ny vokatra. Zavatra roa no mety handikana ireny trangan-javatra ireny. Na tsy ampy ny hery nandresena an’ireo mpifanandrina na ny lalana nizorana no tsy mbola naharesy lahatra ny maro. Ankehitriny, hiroso amin’ny fifidianana isika. Fomba iray tao anatin’ny maro io, hiverenana amin’ny fitondrana ara-dalàna eto Madagasikara.
T.T : Ianao ihany no milaza fa tsy tafiditra ao amin’ireo mpilatsaka hofidina ny olona nandrasan’izy ireo koa ahoana kosa no hirosoany amin’ny fifidianana ? Sa mihevitra ianao fa ianao no anisan’ny tokony hotohanany ?
FRA : Amin’ny maha mpifaninana hofidina ahy dia rariny loatra raha toa ka miantso ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ary mandresy lahatra azy ireo hanohana ahy amin’io fifidianana ho avy io ny tenako. Ireo mpanara-dia ny Ankolafy dia Malagasy tahaka ahy sy ianao, noho izany iantefan’ny antso. Etsy an-daniny kosa anefa, ny tsy fandraisana anjara amin’ny fifidianana dia fanekena sahady fa nilavo lefona. Raha izany tokoa mantsy no miseho dia ireo efa nandray anjara sy nitondra nandritra izay dimy taona izay ary tompon’andraikitra amin’izao olana iainantsika izao ihany no ho lany ary mbola hitondra ny firenena. Manana safidy mazava tsara izany ny rehetra ka tsy afaka ny hanilika intsony ny tsiny any amin’ny hafa.
T.T : Vonona ve ianao ny hiaraka hiasa amin’ireo izay notarihinao fahiny raha toa ka misy ny antso mazava ho amin’izany ?
FRA : Ady iombonana no natrehana. Tolona iray no niaraha-nanana. Ny tanjona tsy niova. Tsy tokony hisy ny olana. Ny faniriako fotsiny dia ny mba hiverenan’ny fitondrana manaraka ny safidim-bahoaka sy manaja ny ara-dalàna. Ny ezaka fampandrosoana dia tsy afa-misaraka amin’ny ezaka fampihavanana sy ny fampiombonana. Efa nijoroako hatramin’ny ela izany ka mbola tohizako.
T.T : Farany, amin’ny maha kandidà anao, inona no hafatra ataonao ho an’ny vahoaka Malagasy ?
FRA : Mbola ho avy ny fampielezan-kevitra hahafahana milaza an’ireo tanjona. Ny faniriako dia ny hahatonga an’i Madagasikara ho tabia sy reharehan’ny Malagasy, ho firenena maha te honina sy mandry fehizay. Raha tsy misy anefa ny fifidianana dia ho zary lasa nofy fotsiny izany. Miantso ireo mpiray tanindrazana amiko aho, handray anjara amin’izany fifidianana izany. Aza avela ho ny hafa no hamaritra ny hoavinao sy ny ankohonanao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.