Politique

Fetison Rakoto Andrianirina “Aoka hanaja ny teny nifanomezana”


  • Alarobia 23 Aprily 2014

Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka taorian’ny nijoroan’ny governemanta vaovao. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’i Fetison Rakoto Andrianirina, filoha mpanorina ny Antoko RDS (Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy), nilazany fa ny toky fitaka fa ny atao no hita.

 Tia Tanindrazana (T.T) : Tafapetraka ihany ity ny Governemanta. Ahoana ny fahitanao azy ? Tsy ao anatiny ny Antoko RDS, hiditra ho mpanohitra ve izany ianareo ?

Fetison Rakoto Andrianirina (FRA) : ... (tsiky) Aleo ovaina ny fomba fanao sy fomba fijery mba hirosoan’ny firenena amin’ny tena fivoarana. Tsy voatery ao anatin’ny fitondrana vao afaka manefa ny adidy ho an’ny Malagasy. Irariantsika mba hanome ny vokatra andrasana aminy ireo mpikambana rehetra ao amin’io governemanta io. Izao kosa anefa, zavatra telo no tsy maintsy andrasantsika aminy dia ny fifampihavanana, ny fanajana ny tany tan-dalàna ary ny fampandrosoana marina.

T.T : Koa tsy efa mandray anjara ao avokoa kosa ary ve na ny MAPAR na ny Ankolafy Ravalomanana ? Efa manomboka izany ny fifampihavanana ?
FRA : Isaorako ny Filoha ny nandraisany ny Mapar satria saika nandringa ny fifampihavanana noresahiny. Tsy mety mantsy ny miantso fihavanana amin’ny hafa kanefa ny namana niara-niasa sy nanohana indray no alaina ho fahavalo. Mila fifampifehezana sy toe-tsaina vaovao anefa ny fiaraha-miasa. Momba ny Ankolafy Ravalomanana, na dia vitsy aza no mandray anjara, antenaina fa hanaja ny teny nifanomezana ry zareo ka hitady ny hevitra rehetra hanonitra ny tsy vita rehetra tamin’ireo fifanarahana nifanekena nandritra ny tetezamita, nentina nanamarinana ny fidirana tao amin’ny rafitra, izay mifandraika amin’ny fampiharana ny fifampihavanana. Adidin’ny Malagasy tsy ankanavaka ny mandray anjara amin’izao fanarenana izao.

T.T : Efa mety aminareo ve izany ny ezaka ataon’ny Filoham-pirenena hamerenana indray an’i Madagasikara ho tany tan-dalàna ?
FRA : Asa makadiry andrasan’ny Malagasy amin’ny mpitondra ny fanajana ny tany tan-dalàna. Tsy mbola hita ny akon’ny fepetra noraisina hatreto sady mbola variana tamin’ny fandrafetana ny governemanta. Izao vao hanomboka ny asa ka antenaina fa hisy ny fanajana ny lalàna, hisy ny fahalalahana, hanjaka tokoa ny demokrasia sy ny fanajana ny maha olona.

T.T : Mihevitra ve ianareo RDS fa hahavita ny fampandrosoana ny firenena izao fitondrana izao sy ireo mpikambana ao aminy ?
FRA : Vao hanomboka ny asa tokoa ry zareo dia efa betsaka ny tsikera. Avelao hametraka ny fandaharan’asan’izy ireo ry zareo dia hohita eny ampandrasana raha toa ka mamaly ny hetahetan’ny ankamaroan’ny Malagasy ny zava-bita na tsia. Adidin’ny Antoko tahaka ny anay ny mitondra fanohanana na tsikera rehefa misy ny ilana izany. Maro ny fomba hanatanterahana an’izany kanefa tsy maintsy atao ao anatin’ny fifanajana tanteraka.

T.T : Teny famaranana ?
FRA :
Tsy misy tokony hatahorany sy hampanahy an’izao fitondrana izao raha toa ka tsy mandiso fanantenana ny Malagasy izy. Ny RDS dia hijoro mandrakariva hampahatsiaro izany. Vahoaka tia filaminana ny Malagasy rehefa tsapany fa mandray an-tanana sy mihevitra ny momba azy ny mpitondra. Ny Malagasy no tompon’ny fahefana koa aoka izy tsy hatao tompon-trano mihono amin’ny toe-javatra misy. Miandrandra zava-dehibe izy. Manangana satria nisy rava tao, ny lehibe indrindra amin’izany dia ny soatoavina malagasy : ny fihavanana. Manarina satria nisy tsy nety namela takaitra hatramin’izao. Manavotra satria ny firenena latsaka tanteraka ao anaty fahasahiranana sy fahantrana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT