Politique

Fetison Andrianirina Mamboly korontana ny fitondrana


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Tsy fotoanan’ny fanovana na fanovanana ny lalàmpanorenana intsony izao famaranana ny fe-potoana voalohany amin’ny Repoblika faha-4 izao, hoy i Fetison Andrianirina, Filohan’ny antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy (RDS).

 

 Tokony hiatrika fifidianana isika mba hisian’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika. Maro ny zavatra azo kianina amin’ny asan’ny fitondrana amin’izao. Tokony hifantoka amin’ny hahatontosa ny fifidianana hangarahara hanehoana ny tena safidin’ny Malagasy. Raha nanana eritreritra ny fitondrana fa nisy ny lesoka na tsy ampy, dia tany am-piandohana no nanao fa tsy aty amin’ny 4 taona. Betsaka ny lesoka tamin’ny fitantanana, ary efa tsy to teny amin’ny Malagasy intsony ny fitondrana amin’izao dia mitady hevitra amin’ny hijanonana sy hitazonana ny fahefana. Kajikajy politika ary handanian’ny fitondrana amin’izao ny fotoanany sy ny rondohany izany, hoy i Fetison Andrianirina. Fandaniam-potoana fotsiny hisarihana ny sain’ny vahoaka tsy hahatsapa fa miaina ao anaty fotoan-tsarotra ny Malagasy dia rebirebena amin’ireny resaka fanesorana an-dry Rivo Rakotovao ireny ny vahoka hanodinana ilay hirifirin’ny fahantrana, tsy fandriampahalemana, tsy fananan’asa. Tafiditra tao anatin’ny vovo isika, ary efa herintaona izao no voafidy ho filohan’ny CAF i Ahmad kanefa izao vao mody nosoloina ? Mbola napetraka aloha ny kajikajy politika. Tsy ny tombontsoan’ny Malagasy mihitsy no tsinjovina amin’izany fa ny sezan’ny mpitondra, ka toy ny efa mamboly korontana ny fitondrana, raha ny fanehoan-kevitr’i Fetison Rakoto Andrianirina. Mila hajaina ny rafitra eto amin’ny firenena, ary tsy an’ny HVM irery akory i Madagasikara, ka hanaovany izay saim-patany eto. Efa tena mitady loza saingy mbola mijery ny fitsoaky ny rivotra aloha ny rehetra.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT