Politique

Fetison Andrianirina “Eo amin’ny fahefana vao tena afaka manao zavatra”


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Anjara asan’ny eo amin’ny fitondrana ny mitady ny vahaolana hapetraka eo amin’ny firenena, hoy Filohan’ny Antoko RDS (Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy), Fetison Andrianirina tamin’ny fakan-kevitra natao taminy manoloana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny.

 

 Ny antoko politika tsirairay avy dia afaka manao amin’ny anjara birikiny. Ohatra iray ny fahavononana hoe andeha hitady ilay lalàna momba ny fifidianana iombonana. Vahaolana hanatsarana ny hisian’ny fifidianana milamina izany ary raha tsy misy ny filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena tsy afaka mifantoka amin’ny fampandrosoana izay manana fahefana hanao izany, hoy I Fetison Andrianirina. Tsy mitovy ny fahefana manao zavatra, ka raha tsy eo amin’ny fahefana dia voafetra amin’ny hoenti-manana sy ny hoenti-manatanteraka. Raha ho an’ny RDS manokana, ohatra, dia mitaiza ny vahoaka ny Malagasy hoe jereo ny anaranareo ao anaty lisi-pifidianana satria eo am-pelantananareo ny fahefana. Nandray anjara tamin’ireny ady tamin’ny firongatry ny valanaretina pesta ihany koa ny RDS, toy ny fanomezana fanampiana teny amin’ny Sampana vonjy taitra. Kely dia kely araka ny eo am-pelantanana kanefa fomba iray hanehoana fa tsy mamela ny vahoaka Malagasy ho irery, hoy hatrany ity mpanao politika ity. Olana zakain’ny vahoaka amin’izao ny fidangan’ny vidim-piainana, toy ny resaka vary, ka vahaolana azo tsapain-tànana no ilain’ny vahoaka fa tsy famendrefendroana, izay matetika fanaon’ny mpanao politika. Tsy hanana vahaolana tonga dia azo ampiharina sy misy vokany avy hatrany na ilay antsoina hoe “pratique” ny antoko politika  tsy eo amin’ny fitondrana na iza na iza, raha ohatra ka vidim-piainana no resahina, hoy kosa I Fetison Rakoto Andrianirina. Tsy misy afaka hiteny hoe andeha hampidininay ny vidim-bary satria tsy eo am-pelantanany ilay fahefana hanao izany. Ny fanentanana azo atao dia ny hoe ahoana ny sadidy politika ara-toekarena mba  tsy hiakaran’izany vidim-piainana izany, ary izay no azo ampahafantarina ny vahoaka mba hahafahany manana ny safidiny rehefa tonga ny fifidianana, ankoatra ny fitondrana ny anjara biriky kely.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT