Nisokatra tamim-pomba ofisialy omaly manerana ny Nosy ny fankalazana ny faha-56 taona niverenan’ny fahaleovantena malagasy sy ny faha-56 taonan’ny foloalindahy.
Hetsika miavaka no hoentina hanamarihana izany, raha ny fanazavan’ny komity mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly. Podium goavambe hosantarina rahampitso alahady 5 jona eny amin’ny Coliseum Antsonjombe no hanokafana izany, hetsika hitohy isaky ny alahady, handraisan’ireo mpanakanto rehetra anjara. Hitohy amina fotoam-pivavahana ho fitondrana am-bavaka ny fankalazana, hiarahana amin’ny FFKM sy ny fiangonana advantista ary ny musulman. Hisy, etsy an-daniny, ny fampihaingoana ny kianjaben’i Mahamasina, amin’ny alalan’ireo sainam-pirenen’ny tany rehetra mampiasa ny teny frantsay, ny 24 jona ho avy izao, tafiditra sahady ao anatin’ny hetsika fandraisana ny Frankofonia. Mety higadona anio eto an-tanindrazana kosa ny afomanga, izay tsy mbola fantatra ny lanjany. Hampiavaka ny hetsika koa ny fisian’ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny akademian’ny miaramila any Antsirabe, hanao fihetsika haneho ny fahaiza-manaony, aorian’ny fisafoana ny andian-tafika hataon’ny filoham-pirenena, ny datin’ny 26 jona, ilay antsoina hoe : “Silent Drill” fanaon’ny miaramila Amerikanina no hatao amin’izany. Mpitandro ny filaminana manodidina ny 750 isa no hohetsehina mandritra izany, ho fitandroana ny fandriampahalemana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.