Hankalaza ny faha-48 taona nahazoany ny fahaleovantenany sy faha-24 taona naha
Repoblika azy ny nosy Maurice ny 12 martsa ho avy izao. Ho vahiny manokana nasaina amin’izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Hery Rajaonarimampianina. Amin’ny 10 martsa ity farany no higadona any an-toerana miaraka amina delegasionina mpandraharaha malagasy. Hisy fihaonany amin’ireo mpitondra ambony ao Maurice sy fifanaovan-tsonia. Handray anjara amin’ny fampakaran-tsaina ao Champ-de-Mars ihany koa ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.