Noho ny fihanaky ny aretina covid-19 maneran-tany dia mbola maro ireo firenena no mandrara ny famoriam-bahoaka.
Ho an` i Frantsa dia nisafidy tsy hanatanteraka lanonana manetriketrika entina hankalazana ny fetim-pirenena ny 14 jolay izao tiy ny fanaony isan-taona, hoy ny fanazavana nentin` ny masoivoho Frantsay monina sy miasa eto amintsika, Christophe Bouchard. Amin` ny alalan` ny tranokalan` ny masoivoho sy ireo tambajotra serasera kosa no hanarahin` ireo teratany Frantsay ireo kabary samihafa sy hiram-pirenena ny 14 jolay amin` ny 12 ora atoandro. “Fotoana hanomezam-boninahitra ho an` ireo namoy ny ainy noho ny COVID-19 tany Frantsa, teto Madagasikara ary maneran-tany, sy ho an` ireo mpiasan` ny fahasalamana izay lohalaharana amin` ny ady amin` ny aretina io andro io” hoy ihany izy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.