Natao ihany ny tsy hiteny fa rehefa mba tafahoatra loatra kosa na efa sangy mihoatra ny loha, ny moana aza miteny. Ny Ntaolo no efa nilaza an’io ! Ny tranga omaly teny Mahamasina no resaka
. Ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena i Madagasikara izao, tokony hifantoka any ny saina aman’eritreritry ny olom-pirenena, entanina hanangan-tsaina ny isan-tokantrano. Mbola ao anatin’ny volan’ny teny malagasy ihany koa isika izao, dia mifandraika amin’izay ny tokony hanindraindrana ny kolontsaina sy ny soatoavina maha Malagasy. Tsy izany anefa no mitranga fa toa mirona mankany amin’ny fanindraindrana ny Frakôfônia. Ny Frakôfônia anefa dia teny (frantsay) sy kolontsain’ny mpanjanaka. Raha ny tetsy anoloan’ny kianjaben’i Mahamasina sy manodidina an’Anosy, moa dia nafenina tao anatin’ny Firaisankina ny hetsika, nanaovana hazakazaka sy zumba, izay dihy brezilianina. Raha dihy faobe ihany, tsy nety angaha raha natao baoejy na salegy na kilalaky na tapolaka ... Hafa mihitsy ny zavatra voizin’ity fitondrana ity, ary mampanahy be ihany fa raha izao tranga izao no mitohy dia ny hanjavonan’izany hasin’ny Malagasy. Izany no mety hiseho. Tsy fahaizana ve sa te handrangitra ny Malagasy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ireo mpanomana io Frakôfônia io e ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.