Efa ela no niady ho an’ny vahoakan’Andohan’Ilakaka satria maro ny tolona sy ady natrehina sy ny fiarovana ny vahoaka ianjadian’ny tsindrihazolena eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina,
hoy ny kandida Fernand Cello, izay tohanan’ny antoko Tia Tanindrazana. Raha ny kaominina Andohan’Ilakaka dia azo lazaina fa manan-karena satria manana ny kalitaona safira tsara indrindra maneran-tany, kanefa mahantra dia mahantra ny mponina. Mila olona mahay mitantana sy vonona hitondra fampandrosoana anefa, ka tonga ny fotoana hitodiana amin’izay fampandrosoana izay, hoy izy. Ny vahoaka ihany koa dia niantso satria raha tamin’izay ady natrehina izay tao anatin’ny taona maro nifandimby ary tonga hatrany amin’ny fidirana am-ponja aza, dia tonga ny fotoana hijoroana hampandrosoana ilay tanàna, raha ny nambarany. Fitiavan-tanindrazana no nandrisika, ary hatramin’izay dia efa tao anaty ilay fitiavan-tanindrazana sy ny fahasahiana mijoro hiady amin’ny tsy rariny sy hiaro ny tanindrazana, ka nifanojo tanteraka amin’ny tarigetran’ny Antoko Tia Tanindrazana, ary izay no antony hifanomezan-tanana sy hiaraha-miasa, hoy ity kandida ity. Mety amin’ny kaominina ary ilain’ny firenena ny vinan’ny antoko Tia Tanindrazana, mifototra amin’ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana tena izy ary ny teknolojia. Afaka mandroso rehefa mifanampy sy mifanome tanana, hoy izy. Mangataka ny hametrahana laharana na “numéro de série” amin’ny bileta tokana mba hiadiana amin’ny hosoka ny kandida Fernand Cello.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.