Fernand Cello, fanamelohana sesilany

Herintaona sazy mihatra tamin’ny raharaha Filohan’ny HCC


  • Alarobia 16 Jolay 2025

Taorian’ny didim-pitsarana nanameloka azy herintaona an-tranomaizina sazy

mihatra tamin’ny raharaha nitorian’ny Tale Jeneralin’ny ny Sekoly ambony manofana ho mpandraharahan’ny fonja na ny ENIAP, nilatsaka indray ihany koa ny didy mikasika ny raharaha faharoa momba an’i Avimana Fernand na Fernand Cello mikasika ny raharaha famoaham-baovao momba ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Araka ny didim-pitsarana omaly, voaheloka herintaona sazy mihatra ihany koa ity farany, izay nenjehina ho nanaparitaka vaovao tsy marina. Io izay efa nanaovany fanintsiana sy fialan-tsiny, saingy tsy nahafa-po ny « Ministère public » na ny fampanoavana, ka anisan’ny vesatra niampangana an’i Fernand Cello ny fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena sy fanalam-baraka. Andaniny, raha ny fanazavana efa nentin’ny Mpisolovava azy Me Rajaonarison Santanavalona dia misy ny antsoina hoe « asymétrie procédurale » satria nambarany, fa tsy nametraka fitoriana akory ilay olona voakasika (ny Filohan’ny HCC), ary tsy nangataka koa izy mba hisy mpisolo vava hisolo tena azy nandritra ny fitsarana. Tsy nanao fiampangana ho antoko mpitory izy, na dia nanan-jo hanao izany tanteraka aza. Midika izany fa nanaiky ny fialan-tsinin’ilay mpanao gazety izy, ary tsy maniry hitondra lavitra ny raharaha, hoy ny fanazavana. Io no nilazan’ny mpisolovava fa ny fanohizana ny fanenjehana nataon’ny fampanoavana dia mitaratra tsy fifandanjan’ny fomba fanao amin’ny fitsarana: lasa antoko iray mandray anjara ao amin’ny fitsarana ihany koa izy, na amin’ny fiteny mazava aza hoe: « juge et parti », raha ny fanazavana. Ny tsy fisian’ny antoko mpitory dia manitsakitsaka ny fitsipika fototra momba ny fifandanjan’ny ady, izay iray amin’ny antoka amin’ny fahamarinan’ny fitsarana ara-drariny. », raha ny ventin-kevitra efa nentin’ny mpisolovava. Mbola omen’ny lalàna zo hampiakatra moa ny voapanga fa hatreto izany dia voaheloka herintaona avy amin’ireo raharaha 2 efa voatsara i Fernand Cello, izay raha ny lalàna dia misy ny antsoina hoe : « règle de la peine la plus forte » ka izay sazy ambony no raisina saingy asa izay ho fipetrany ? Mbola misy raharaha roa hafa ka amin’ny 5 aogositra ny fitsarana ny momba ny fitorian’ny eo anivon’ny fadin-tseranana, ary mbola tsy fantatra mazava ny tohin’ny raharaha iray hafa izay dosie mipetraka eny amin’ny sampana misahana ny heloka bevava.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT