Politique

Feno Harison “Hatombotsika eto Antananarivo ny fanarenana.”


  • Alakamisy 26 Septambra 2019

Tsy vao androany aho no resy lahatra amin’ny fanarenana miainga avy any ifotony ny rafitra rehetra misy eto amin’ny firenena.

 

Hatombotsika eto Antananarivo izany ary izay toe-po sy toe-tsaina ho an’ny fiaraha-mientana sy firaisankina izay no naharesy lahatra ahy hirotsaka hofidiana ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, hoy ny kandida laharana faha 5 ao amin’ny bileta tokana, Feno Harison. Tsy misy dingana tsy ho tratra sy tanjona azo tanterahana, hoy izy, rehefa ao ny finiavana sy fahasahiana hanova. Miara-miaina eto isika ary mahita ny olan’ny rano, fitohanan’ny fifamoivoizana, ny lafiny sekoly. Mampalahelo ny fotodrafitrasa. Maro ny teboka mila arenina any amin’ny fiarahamonina ka mila ny fiaraha-mientan’ny tsirairay, hoy izy. Mikasika ny fifidianana amin’ny 27 novambra dia efa milaza sahady aho raha maheno siosion-dresaka fa efa miomana amin’ny fomba ratsy fanaony ka dia milaza aho, hoy hatrany izy, fa tsy mendrika ho an’ny firenentsika izany.

J. Mirija

Antananarivo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT