Politique

Feno Harison “Aleo hisy laharana ny bileta tokana.”


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Voalazan’ny lalàna fa lisitra 2 samihafa ny an’ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ka tsy hitako ny olana, hoy ny kandida laharana faha-5 eto Antananarivo, Feno Harison.

 

 

Mila henoina koa ny feon’ireo kandida nisafidy tsy handrotsaka mpanolotsaina. Misy tokony hohatsaraina anefa, hoy izy, ny firafitry ny bileta tokana. Mila fantatry ny mpifidy ny laharan’ny bileta nifidianana mba tsy ho tonga any Analakely ny bileta avy any Analamahitsy na any Mahamasina ny any Analakely. Manana teknisianina hamaha izany ny CENI ary tsy sarotra ny mamaha izany, hoy izy. Raha izany no tanteraka dia tena hangarahara ity fifidianana ity. Manentana sahady ny mponin’Antananarivo koa aho, hoy izy, mba ho sahy hijoro hiaro ny safidiny. Aleo hisy laharana ny bileta tokana, izany hoe ilay sosona na “souche” mihitsy. Fotoana izao hanafoanana ny lesoka teo aloha sy hanaovana fifidianana mangarahara sy madio, hoy ity kandida ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT