Nanamafy omaly hariva ny depiote Félix Randriamandimbisoa filohan’ny vondrona parlemantera TIM fa manohitra tanteraka ny fanaovana amboletra tamin’ny nandaniana ny lalàna mifehy ny serasera teny amin’ny antenimieram-pirenena ny antoko Tiako i Madagasikara.
Marika ny fihemoran’ny demokrasia izany, hoy izy ary tena loza amin’atambo ho an’ny fahafahana maneho hevitra. Melohin’ity antokon’i Marc Ravalomanana ity ihany koa ny paipaika maloto nentina nampandaniana io lalàna io satria dia maro be ny resaka re momba izany. Notsipihan’ny depiote Félix Randriamandimbisoa tsara koa fa diso tanteraka ny fanasoketana ireo olom-boafidy TIM eny Tsimbazaza ho nandray vola. Aoka samy ho mailo ny rehetra fa fomba fiady ihany ny fampielezana tsaho tahaka izany, hoy izy. Mijoro hatrany ho an’ny tombontsoa iombonana ny Tiako i Madagasikara ary mitandrina toy ny anakandriamaso ny demokrasia sy ny fahafahana maneho hevitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.