Politique

Fehin-kevitry ny FFKM Ahoana ny fampiharana azy ?


  • Talata 07 Mey 2013

Fifanarahana neken’ny ankolafy politika rehetra heverina fa goavana sy manana ny toerany eto amin’ny firenena ny tondrozotra, nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011.

 Efa hisasaka anefa ity ny 2013 tsy mbola mihatra manontolo ilay izy. Nilaza fa naka ny hevitry ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy raha nanao fihaonambem-pirenena nandrafetana ilay lalàmpanorenana ny fitondrana FAT, fa tsy naharesy lahatra ny rehetra izany ary io efa miainga io ny resaka fa ilaina ny fanovana azy. Nihaona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita, nifanaraka fa samy tsy ho kandida, fa io misisika io ihany i Andry Rajoelina. Nivoaka indray ny alahady 05 mey teo ny fehin-kevitra avy amin’ilay diniky ny samy Malagasy nokarakarain’ny FFKM. Rahoviana, amin’ny fomba manao ahoana no hampiharana azy io ? Sa ve hijanona ho taratasy fotsiny ihany ilay izy fa tsy hotanterahana akory ? Nilaza ho ren-tany ho ren-danitra ny Mgr Razanakolona Odon teny Ivato, ny alahady hariva teo fa hanolotra ny fehin-kevitra any amin’ireo filoha telo mirahalahy teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita mba ho fampihavanana. Midika ve izany fa hihaona amin’izy ireo tsirairay mitokana ny filoham-piangonana efatra mirahalahy sa fihaonambe hiarahan’ny efa-tonta mihitsy no hatao ? Dia rahoviana ary aiza no toerana hanaovana azy ? Izany avy ny fanontaninana tsy afaka am-bavan’ny maro nanomboka omaly.

Rehefa dinihana sy vakiana ny fifanarahana na ny fehin-kevitra rehetra mivoaka, dia tahaka ny hoe mety izany daholo, gidragidra foana anefa avy eo rehefa hoe ampiharina amin’izay ilay izy. Omaly aza moa dia efa savorovoro kely sahady teny amin’ny Astauria Antanimena teo amin’ireo vondrona politika nandray anjara tamin’ny dinika teny amin’ny CCI Ivato. Ny ankolafin-dRajoelina sisa tavela dia tsy manaiky izany hoe tetezamita vaovao sy fifidianana ahemotra izany mihitsy ary manakiana mafy dia mafy ny FFKM, fa hoe manao fanonganam-panjakana amin’ny alalan’ny fivavahana, hono. Tsy misalasala kosa fa manohana ny fehin-kevitra nivoaka teny Ivato ny Pr Zafy Albert sy ny Amiraly Ratsiraka, raha toa ka hita ho somary mailo ihany ny ankolafy Ravalomanana.

Ny sehatra iraisam-pirenena moa raha araka ny tenin’i Joaquim Chissano dia mbola hivory hifandinika, izay vao mety hamoaka ny heviny. Misy sahady anefa ny mahita fa tsy hisy fifidianana indray amin’ny 24 jolay, fa dia miroso tsimoramora any amin’ilay tetezamita vaovao isika. Fa iza anefa no afaka manome antoka fa hivaha haingana ny krizy raha hatsangana ny tetezamita vaovao ? Iza koa no sahy manome toky fa hilamina ny firenena raha atao ny fifidianana amin’ny 24 jolay ? Hoy indrindra ny mpandinika ny raharaham-pirenena iray manao hoe : hafa ny soratra an-taratasy sy ny kabary, fa hafa ny fampiharana azy, ary raha mbola misy ny tia tena, mpamadika palitao, mpilalao politika, olon’ny mpanjanatany fahiny, mpanao politika tia vola, ary vahoaka matory sy mora fitahana dia tsy tafavoaka mihitsy ity Gasikara ity na fifanarahana 1.000 aza no ampifandimbiasina soniavina eto

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT