Mahagaga ihany ilay fomba fiasa hoe alefa eny amin’ny antenimierandoholona aloha
ny fehezan-dalàna tokony hodinihin’ny parlemanta, ka aorian’io vao tonga eny amin’ny antenimieram-pirenena. Fomba fiasa hafahafa ary misy ambadika izany, hoy ny depiote Felix Randriamandimbisoa filohan’ny vondrona parlemantera TIM eny Tsimbazaza. Mifanohitra amin’ny fomba fiasa ara-dalàna io, saingy natao satria angamba moramora lany ilay lalàna rehefa tonga eny satria maro an’isa mazava ny loholona HVM, hoy hatrany ity solombavambahoaka TIM ity. Mety maivamaivana ihany koa na tsy misy mihitsy ny adihevitra fa dia milamina ny fampandaniana. Naroso nodinihan’ireo loholona teny amin’ny lapan’Anosikely omaly moa ny fehezan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena, izay tena goavana tokoa satria antoka iorenan’ny fametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena, tsy mbola nandalo teny amin’ny depiote teny Tsimbazaza anefa izy io. Zavatra efa nitranga ary niteraka adihevitra be amin’ilay fehezan-dalàna momba ny serasera farany teo. Tena zava-dehibe loatra izy io kanefa dia fomba fiasa sadasada tahaka izao no hanombohana ny fandinihana azy eny amin’ny parlemanta.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.