Nantsoina hivory tsy ara-potoana ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, amin’ity herinandro ity.
Nisy filankevitry ny minisitra manokana notanterahina teny Iavoloha ny sabotsy 2 jolay teo nanapahana ny momba an’io. Niovaova be ihany anefa ny fampitam-baovao navoakan’ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika mitatitra ny zavatra tinapaka tamin’io. Ny fampitam-baovao voalohany naparitaka tamin’ny mpanao gazety dia nambara fa hanomboka ny alatsinainy 4 jolay 2016, io fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta io, ary tsy hihoatra ny 12 andro ny faharetany. Volavolan-dalàna misa dimy no nofaritana fa hodinihina mandritra izany dia ny mikasika ny fehezan-dalàna hifehy ny fifandraisana, izay raha ny loharanom-baovao dia terena tsy maintsy holanian’ny depiote mandritra io fivoriana io. Eo koa ny volavolan-dalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena, ny volavolan-dalàna mikasika ny Fitsarana manokana hitsara ireo fandikan-dalàna ara-toekarena, ara-bola ary ara-ketra, ny volavolan-dalàna mikasika ny vondrombahoakam-paritra ary ny volavolan-dalàna mikasika ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy.
Niova tampoka
Niova indray anefa ilay fampitam-baovao ora vitsy taorian’izay, ka nasiana fanitsiana fa ny talata 5 jolay no hanomboka ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta. Nihena ho efatra ihany koa ireo volavolan-dalàna hodinihina, ka nesorina tsy ho isan’izany ny volavolan-dalàna mikasika ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy. Nisy filankevitry ny minisitra notanterahina indray ve nanapahana an’io fiovana io sa hadisoan’ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, miharo tsy fahafehezan’asa tsotra izao ? Na izany aza, tsy dia zava-baovao amin’ity fitondrana ity io fiovaovana io, mampahatsiaro ny zava-nambarany manodidina ilay fipoahan-javatra tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, ny harivan’ny 26 jona 2016, izay nahafatesana olona telo sy naharatrana 91 hafa. Ny fanambarana voalohany nataon’ny fitondrana tamin’ny alalan’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, ora vitsy taorian’ny loza, dia nilaza fa « grenade offensive » ilay nipoaka. Ny ampitson’io indray dia nambara fa « baomba artizanaly voasesika kanety vy madinika» ilay nipoaka.
Teny Midina
Tsy hisy ny fahagagana eny Anosikely amin’ny fandaniana ireo volavolan-dalàna ireo. Mety hafanafana kosa ny adihevitra eny Tsimbazaza, izay efa hita taratra ihany tamin’ny fisian’ireo depiote niovaova hevitra tamin’ny nanemorana ny fandinihana ny fehezan-dalàna hifehy ny fifandraisana io tamin’ny zoma 1 jolay teo. Maro ihany koa ireo solombavambahoaka milaza ho tsy mbola naharay ny dika mitovin’ireo volavolan-dalàna hodinihina ireo. Inona no zavatra hitranga, manoloana ny teny midina ny amin’ny tsy maintsy handaniana io volavolan-dalàna mahabe resaka eto amin’ny firenena io ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.