Politique

Fehezan-dalŕn’ny serasera sy filazam-baovao Hodinihan’ny depiote manomboka ny 29 jona


  • Alakamisy 23 Jona 2016

Hodinihana anaty asam-baomiera, ao anatin’ny fivoriambe ara-potoana voalohany eny amin’ny Antenimirampirena malagasy,

  ilay volavolan-dalàna mikasika ny fehezan-dalàn’ny serasera sy filazam-baovao na ny « Code de la Communication médiatisée » hifehezana ity sehatra ity eto amintsika. Fantatra io, avy amin’ny fitafatafan’ny mpanao gazety tamin’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’Antsiranana ny depiote Mahazoasy Mananjara Freddie Richard teny Tsimbazaza omaly. Amin’ny alarobia 29 jona 2016 izao no hatao izy io. Nambarany fa vonona ny tenany hitondra ny tolo-dalàna mitondra ireo fanakianana nataon’ny mpanao gazety amin’ny andininy sasany ao anatin’ity fehezan-dalàna ity. Nolazainy fa tokony hosarahina amin’ny ny resaka serasera sy filazam-baovao ny mikasika ny « cybercriminalité » ary tokony hodinihana amin’ny andininy manontolo ity farany ity.

Omaly koa, tao anatin’ny asam-baomiera teny an-toerana ihany no nandinihan’ireo solombavambahoaka sy ny teknisianin’ny minisitera tompon’andraikitra ny volavolan-dalàna momba ny LFR na ny “Loi de Finances rectificative 2016”. Nambaran’ny depiote Mahazoasy fa na dia teo aza ny tsy fitoviam-pijery dia nisy ny azo namboarina.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT