Politique

Federation Internationale Famubo Hiara hiasa amin’ny parlemantera vehivavy Malagasy


  • Talata 21 Novambra 2017

Taorian’ny nitsidihan’ny « federation internationale » Famubo notarihan’ny filohany Rtoa Monique Mujawamariya izay mandalo eto Madagasikara ankehitriny,

 

 ny lapan’ny loholona tetsy Anosikely tamin’ny zoma 17 novambra teo, dia teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza indray ny delegasiona nahitana ny filoha lefitra ity federasiona ity Rtoa Annick Zoary Ratsiraka niaraka tamin’ny filohan’ny Famubo Madagasikara, Rtoa Mélanie Razafindravony. Nisolontena an’ireo solombavambahoaka vehivavy Malagasy nandray azy ireo tamin’izany kosa ny depiote Rahantasoa  Lydia Aimée Vololona voafidy tany Manjakandriana sy ny depiote Rasoanoromalala Marie Horace voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6 teto Antananarivo. Nivoitra tamin’ny dinika nifanaovan’ireto andriambavilanitra ireto ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Mafubo Interanationale sy ny parlemantera vehivavy Malagasy mba hampivoarana ny fiainan’ny vehivavy Malagasy ka hanatanterahana ara-bakiteny ny fiadiana amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy izay dradradraina mandrakariva hatramin’izay elabe izay nefa zary lasa « slogan » etsy sy eroa fotsiny. Voaresaka ihany koa ao anatin’izay fiaraha-miasa izay ny fananganana ivo-toerana hahafahan’ny vehivavy manao « activités » amin’ny sehatry ny fanabezana sy fahasalamana ary ny fandriampahalemana izay ifotoran’ny hetsika ataon’ny Famubo internationale ary farany dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-misan’ny roa tonta ny hananan’ny vehivavy Malagasy fahaleovantena ara-bola hahafahany miaina amin’ny maha-olona azy.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT