Politique

Federasion’ireo gadra politika Ilaina ny fampihavanam-pirenena


  • Zoma 15 Jolay 2016

Mbola mitana ny heviny amin’ny maha zava-dehibe ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena marina ny federasion’ireo gadra politika tarihan-dRakotomalala Henri na Riribe.

Eto aho dia efa misaotra sahady ny filohan’ny Antenimierandoholona sy ireo loholona tarihany nandany ny volavolan-dalàna naroso mikasika ity fampihavanam-pirenena ity, hoy izy. Fantatra fa voarakitra ao ny maro tamin’ireo hevitra na « ammendement » naroson’ny Fedep na Federasion’ny gadra politika. Miangavy ny solombavambahoaka izahay handray fanapahan-kevitra haingana mikasika ity volavolan-dalàna ity fa tsy hanemotra ny fandinihana izany lava izao. Antoky ny fampanjakana ny fitoniana eto amin’ny firenena ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Izay indrindra no nimatimatesan’ny fitondrana tarihan’ny filoha Rajaonarimampianina hiroso mavitrika amin’ny fandinihana io resaka io. Mikasika ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena dia manambara izahay Fedep, hoy ihany i Riribe, fa manameloka tanteraka ny hetsika fanakorontanana ataon’ny sasany eto amin’ity firenena ity sy ny  fikasana hanongam-panjakana indray  izay efa nampidi-kizo fatratra ny Malagasy. Aoka ny rehetra samy hiomana amin’ny fiatrehana ny fifidianana manaraka amin’ny 2018.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT