Vao manomboka ny taona dia mamerimberina ny fitakian’izy ireo amin’ny fanafaiganana ny fanatanterahana ny fampihavanam-pirenena ireo mpikambana ao amin’ny Federasion’ireo gadra politika teo aloha na ny FEDEP manerana ny nosy.
Nambaran’ny filoha nasionaliny, Rakotomalala Henri na i Riribe omaly, fa tsy hisy mihitsy ny tena fampandrosoana an’i Madagasikara raha tsy misy ny fitoniana eto amin’ny firenena. Milaa tohanana hatrany, araka izany, ny fitondram-panjakana mijoro, hoy ity Federasiona ity, mba hisorohana ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena izay tena mampihemotra lava ny fari-piainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tokony hatsangana ara-dalàna ao anatin’ny fotoana fohy ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy, hoy ry zareo ary tsy maintsy hatao ho taonan’ny fampihavanam-pirenena ity taona 2016 hitsahana ity. Tokony hisokatra amin’ny lafin-kery rehetra misy ny filohan’ny Repoblika, amin’ny fanendrena ireo Senatera anjarany manokana, hoy ny Fedep mba hisorohana ny fiverenan’ireo mpanao politika efa mahazatra loatra eo amin’ny toerana indray nefa izy ireo dia efa fantatra fa tsy lanin’ny vavonin’ny vahoaka intsony. Hanatanteraka fivoriambe nasionaly ny Fedep amin’ny volana febroary ho avy izao ka maniry ny hihaona mivantana amin’ny filoham-pirenena aorian’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.