Politique

Fe-potoana iray volana …


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Tsy maintsy tafapetraka mialoha ny faran’ny volana febroary ireo fepetra mitondra any amin’ny fitoniana ara-politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo rehetra miara-dia aminy ka mialokaloka atsy Afrika Atsimo.

 Eo ihany koa ny fanatanterahana ny famotsoran-keloka faobe, ho an’izay rehetra voakasiky ny raharaham-pitsarana nandritra izao krizy izao. Izay no azo amintinana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fivoriana tany Pretoria ny talata sy alarobia lasa teo. Izay ny zava-misy, saingy hita ihany hoe mbola samy manana ny fandikany azy io, na ny mpitondra fanjakana, na ny mpanao politika, na ny olon-tsotra, ka arakaraka ny firehana sy fironana politika moa no handikana ilay fehin-kevitra.

Voalaza ihany koa fa ny governemanta Malagasy sy ny SADC ho hiaraka hiasa amin’ny fampodiana ity filoha teo aloha ity sy amin’ny fiarovana azy, ary ny SADC ihany koa no hanara-maso akaiky ny fanatanterahana ny fampiharana ilay famotsoran-keloka. Inoana fa hafana dia hafana indray ny fanehoan-kevitra isan-karazany ato anatin’ny iray volana manoloana ny akon’ny fivoriana tany Pretoria. Raha ireo mpomba an’i Andry Rajoelina aloha dia tsy mbola niova tamin’ny heviny, fa tsy mila an’i Marc Ravalomanana miverina eto izany. Raha miverina aza izy dia mivantana any Tsiafahy na Antanimora, raha ny faniarian’izy ireo. Rehefa tsy izay, dia vita mihitsy ny fifidianana ka lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina, izay vao hodinihana miandalana ny fodian-dRavalomanana. Mazava ho azy fa fomba fijery mifanohitra amin’ny an’ny zanak’i Dada izany, izay mahita fa mila an-dRavalomanana mody eto Madagasikara, ny famahana izao krizy izao. Ny SADC ihany koa, tamin’ny alalan’i Marius Fransman dia efa nilaza, fa tsy azo antoka ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara raha tsy tafaverina an-tanindrazana i Marc Ravalomanana.

Efa namaky lay amin’ny fanakianana, ny fomba fitantanana miangatra ataon’i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ao an-dapa ao ihany koa ny Leader Fanilo, ka nampibaribary fa niharan’ny tsy rariny ny filoha Ravalomanana tamin’ny sabotsy 21 janoary lasa teo. Mitohy ny grevin’ny Seces, mbola mitokona ny mpitsara. Heverina fa mba tsy mety kosa raha mbola hihenjana tahaka ny fanaony ihany ny filohan’ny tetezamita amin’izao toe-draharaha mafana sy tsy manome rariny azy izao mihitsy. Ho hita eo indray ny fahatsiarovan-tenany sy ny fahendreny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT