Politique

Fe-potoana iasan’ny filoham-pirenena Mety haverina ho 7 taona indray


  • Alakamisy 13 Febroary 2020

Ao anatin’ny vinan’ny fanjakana ankehitriny ny fanitsiana lalàmpanorenana, izay izy ireo ihany no nanova azy tamin’ny taona 2010, saingy tsy metimety aminy indray.

 

 

Na ny tetibolan’ny CENI voafaritry ny tetibolam-panjakana 2020, aza dia mahatratra 35 908 243 000Ar izay ambony lavitra noho ny an’ny Antenimierandoholona 15 524 954 000Ar. Azo adika fa miomana amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka na fifidianana ny fanjakana. Tsy tongatonga ho azy ny fanitsiana lalàmpanorenana. Eo ny mety fametrahana ho marim-pototra ny lalàna hifanaraka amin’ny vina sy ny programan’asan’ny fanjakana, fa tsy afa-miala amin’izay ihany koa ny kajy politika. Zary fomba fanao teto amintsika rahateo ny lalàmpanorenana na lalàna no ezahina tefitefena hampifanarahana amin’izay metimety amin’ny mpitondra, fa tsy ny mpitondra no natao hanaraka ny lalàna. Mety ho antony iray tsy mampandroso antsika io. Raha ny lalàmpanorenan’i Etazonia, ohatra, dia efa tamin’ny taona 1787 tsy mba nokitihina be hifanaraka amin’ny metimety amin’ny mpitondra. Matetika fanamafisana seza sy fahefana io. Anisan’ny nahatonga ny raharaha 21 aprily 2018 ny kajikajin’ny fanjakana Rajaonarimampianina hanao ny lalàm-pifidianana ho metimety, izay fanaon’ny eo amin’ny fitondrana rehefa hiroso amin’ny fifidianana. Hatreto, azo antoka fa maniry ny hijanona amin’ny toerany ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 2023, ary fanao ny fifikirana eo amin’ny fomba rehetra. Mandeha ny resaka fa mety haverina ho 7 taona ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena. Ny ho avy no hamaritra azy. Azo eritreretina ihany koa hoe havoaka ilay resaka, dia jerena aloha ny fihetsiky ny olom-pirenena sy ny mpanao politika. Raha mitombina, dia heverina fa hiroso any amin’ny fahefana feno sy matanjaka ny filoha amin’ny fomba fitantanana ny firenena (Régime presidentiel fort), raha somary voafehin’ireo andrim-panjakana dia ny antenimiera roa tonta (Sémi-présidentiel) amin’izao.

 

MBOLA SAROTRA NY FANDIDIANA

Maro anefa ny pitsopitsony vao afa-miroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Ny andininy faha-161 amin’ny lalàmpanorenana, dia milaza mazava fa tsy misy fanitsiana azo atao amin’ny lalàmpanorenana na dia iray aza raha tsy hita fa tena ilaina. Ambaran’ny andininy faha-162 kosa fa “Raha toa ka hita fa tena ilaina dia anjaran’ny filoha no manapaka eo amin’ny filankevitry ny minisitra, na ny antenimiera amin’ny alalan’ny latsabato miafina nolanian’ny 2/3. Ny volavolan- tolo-kevitra fanitsiana dia tsy maintsy ankatoavin’ny ¾ ny mpikambana ao amin’ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona. Ny volavolan-tolo-kevitra nankatoavin’ireo miampy ny HCC no aroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy mbola manan-kery ny didy hitsivolana 2019/006 mamaritra ny fampihenana ho 18 ny isan’ny loholoha, fa tsy maintsy aorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Mbola sarotra izany ny hahazoan’ny filoha sy ny ekipany ¾ etsy Anosikely, izay HVM ny 99%.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT