Politique

Faty olona sesilany tato ho ato Tokony hampandinin-tena lalina antsika,hoy ny CRAM


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena taorian’ny fanjanahantany no nisy olona an-jatony mahery « naringan’ny valanaretina pesta » teto Madagasikara. Miara-manaiky ny rehetra fa tao anatin’izao Repoblika faha-4 izao no betsaka olona maty indrindra na tamin’ny alalan’ny « bois rond »

na fitsaram-bahoaka (fahatezeram-bahoaka) na asan-dahalo na lozam-pifamoivoizana mahatsiravina na nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena, hoy ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Ra latsaka sy fahafatesana mifanesy mihatra amin’ny mpiray tanindrazana (sivily, polisy, zandary, miaramila) izay tsy fantatra na rahoviana vao hifarana. Nametra-panontaniana ny CRAM hoe : niaraka niory tamin’ny fianakavian’ireny manamanjo ireny ve ny mpitondra fanjakana sy ny vahoaka malagasy ?

Manana adidy ny fitondram-panjakana sy ny FFKM

Nandritra ny herinandro dia nisaona ny firenentsika satria lavo ny filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert, ary samy nanao ny adidiny avokoa ny mpitondra sy ny mpanao politika maro. Toa somary adino kosa ireo mpiray tanindrazana marobe namoy ny ainy, ary efa nisy mihitsy ny fety be teny Antsonjombe ny 15 novambra teo, hoy ny CRAM. Efa ela no nisaona ny firenena iray raha misy olona maro matin’ny loza voajanahary toy izao any ivelany. Ny eto amintsika kosa « very ny hasin’ny fahendrena Malagasy ». Mipetraka ny fanontaniana manao hoe : « mendrika ny hanaovana fotoam-pivavahana iraisam-pinoana eo ambany fitarihan’ny FFKM ve ireo olona an-jatony izay mety nisy zanaky ny Fiangonana matin’ny pesta ireo ? Azon’ny fitondram-panjakana atao ve ny manatrika izany ao anatin’ny « andro iray natokana hisaonan’ny firenena » sady manolotra fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ireo nodimandry ? Endriky ny Fihavanana Malagasy ireny raha tanteraka. Ny fanajana ny soatoavina no hiverenan’ny fiandrianan’ny firenena Malagasy, hoy ny CRAM. Hihaino ve ny fanjakana sa hanao be marenina toy ny fanaony ? Tsy misy rahateo ny fihainoana ny soso-kevitra avy amin’ny vondron-kery na herivelona hafa ivelan’ny mpitondra eto amintsika. Sokajian’ny fanjakana HVM ho fahavalony mantsy izay miteny sy maneho hevitra tsy dia mankasitraka ny fomba fiasany sy fitantanany ity firenena iaraha-manana ity.


Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT