Politique

Fatma Samoura Tsy miala eto raha tsy mivaha ny krizy


  • Alakamisy 10 Aprily 2014

Mitombo 12 volana ny iraka tanterahan’ny mpandrindra maharitry ny sampan’ny Firenena Mikambana sady solontena maharitry ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny fampandrosoana, Fatma Samoura, araka ny loharanom-baovao voaray.

 Mijanona eto ny tenany hatramin’ny taona 2015 hijery ny fizotry ny tena fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Iraka voalohany niandraiketany ny famerenana ny firenena Malagasy amin’ny tany tan-dalàna tamin’ny alalan’ny fifidianana. Fanamby vaovao miandry azy mandritra ny herintaona hijanonany eto ny fanatontosan’ny filoham-pirenena ireo fampanantenana nataony toy ny fampihavanam-pirenena izay tena manahirana tokoa satria tsy mitovy ny famaritana sy ny fomba fijerin’ireo fikambanana samihafa eo amin’ny fampiharana azy. Efa eo am-pijerena ny fanatsarana ny Filankevitry ny fampihavanam-pirenena rahateo moa ny PNUD ankehitriny.

Lalana iray amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanelanelana teny anivon’ny fiarahamonina nanome tanana tamin’ny fikarakarana sy fanatontosana ny fifidianana. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa ny taona 2010 i Fatma Samoura no voatendry handray ny andraikiny teto Madagasikara ary taorian’ny fanasoniavana ny sori-dalana vao nanolotra ny taratasy manendry azy ho amin’izany toerana izany tamin’ireo manampahefana tetezamita. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT