Fatma Samoura – Atallah Béatrice

> Tenin’iza no harahina ?


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013

Nitety biraom-pifidianana teto an-drenivohitra Rtoa Fatma Samoura, Solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto amintsika. Aminy dia nilamina tamin’ny ankapobeny ny fifidianana ary tena niarahaba ny vahoaka Malagasy izy. Tena navitrika nifidy ny Malagasy ary tsy nisy olana lehibe ny fampiasana ilay bileta tokana, hoy izy.

Nisy ihany anefa ny indro kelin’ny mpandrafitra teo amin’ny resaka fizarana ny kara-pifidianana, raha ny fahitan-dRtoa Fatma Samoura azy, satria tamin’ny biraom-pifidianana am-polony notsidihany omaly dia ao amin’ny fizarana ny karatra sy fijerena ny anaran’ny mpifidy ao amin’ny lisi-pifidianana no tena nandany fotoana betsaka ary somary niteraka fifamaliana kely mihitsy teo amin’ny mpifidy sy ireo tompon’andraitry ny biraom-pifidianana. Nanamarika ihany koa i Fatma Samoura fa tsy afaka mifidy intsony amin’ny fihodinana faharoa amin’ny 20 desambra 2013 ireo rehetra tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana. Tsy ho vita ny hanitsy ny lisi-pifidianana ao anatin’ny roa volana, hoy izy fa dia amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ny 2014 indray vao afaka mifidy ireo rehetra tsy afaka nanao izany tamin’ity taona ity. Mifanohitra amin’izay anefa ny fanazavan’ny filohan’ny CENI-T, Rtoa Atallah Béatrice, ity farany izay mampanantena ny olona fa raha tsy afaka nifidy tamin’ny fihodinana voalohany dia misoratra anarana eny amin’ny Fokontany misy azy dia afaka mifidy indray amin’ny fihodinana faharoa. Marihana fa efa hatramin’ny oktobra 2012 no natomboka ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ary ny 9 oktobra 2013 teo no natsahatra tanteraka izany. Nametraka mazava ny CENI-T fa manana adidy hijery sy hanamarina ny anarany amin’ny lisi-pifidianana vonjimaika eny amin’ny Fokontany ny olom-pirenena tsirairay avy, mba hisorohana ny diso na ny zavatra tsy mety. Nisy ny nanao izany ary nisy koa ireo tsy nahavita. Misy koa anefa na efa nanao fanitsiana aza ny mpifidy dia tsy voarakitra araka ny tokony ho izy amin’ny lisi-pifidianana izany ka na vao mainka diso na tsy voasoratra anaty lisitra indray ilay mpifidy. Na izany aza, mahagaga ihany ny tsy nisian’ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny fokontany sy ireo mpiasa nokaramain’ny CENI-T hanao ny fanisana ny mpifidy, ny Fokontany mantsy no mahafantatra tsirairay ny mponina ao aminy ka manana andraikitra feno ihany koa izy manoloana ny resaka fanisam-bahoaka sy fanisana ny mpifidy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT