Politique

FAT Zarazarain’ny hevitra tsy mitovy


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Tsy dia tena mitovy loatra intsony ny fomba fijerin’ireo samy ao anatin’ny FAT ny raharaham-pirenena.

 Ao ireo tsy mahalala afa tsy ny efa eo am-pelatanany ary tsy vonona ny hifampizara amin’ny hafa mihitsy. Resabe fotsiny amin’izy ireo izany hoe tetezamita iaraha-mitantana izany fa dia natao fotsiny aloha ny sonia, araka ilay fomba mahazatra, fa zavatra hafa mihitsy no atao avy eo. Ho an’izy ireo, tsy azo eritreretina mihitsy izany Marc Ravalomanana mody eto Madagasikara izany, ary ampiana fotsiny ny mpikambana ao anatin’ireo andrim-panjakana fa tsy misy horavana izany. Fa eo koa ireo manomboka tonga saina ka mandanjalanja tsara ny zava-mitranga sy ny zavatra tokony hatao.

Mahatsapa ireto sokajy faharoa ireto fa tsy mahavaha samirery ny krizy ny FAT fa tsy maintsy mifanome tanana amin’ny ankolafy politika rehetra, fantatr’izy ireo tsara fa tsy hisy zava-banona eto raha mihenjan-droa ny tady. Hita tao anatin’ny zava-nitranga volana vitsivitsy izao fa ao anatin’ity sokajy faharoa ity no misy ny filohan’ny CST, ny jeneraly Rasolosoa Dolin, izay vao nanamafy ny talata hariva teo fa tokony hifanome tanana ny rehetra amin’ny famahana ny krizy. Hajaina ary tanterahana izay nosoniavina, hoy izy ary tsy tokony resaka olona na seza no hibahan-toerana. Somary nanaitra ihany koa ny filazany hampitony ny firenena marina ve ny fisamborana an’i Marc Ravalomanana ? Tena mifanipaka amin’ny hevitry ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy mantsy izany, hany ka efa mandeha ny resaka etsy sy eroa fa toa hoe manomboka mangatsiaka ny fifandraisan’ny eny Ambohitsorohitra sy Anosikely.

Maro koa ireo mahita fa manara-dia an’Atoa Rajemison Rakotomaharo amin’ny filatsahana ho elanelam-panahy eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ity filohan’ny CST ity no sady efa manomana ny hoavy politikany ihany koa, ary tsy izy irery no manao izany ao amin’ny FAT fa efa maro ka izay no vao miha mamparefo ny herin’ny ankolafy Rajoelina. Efa mizara mantsy ny fomba fijery fa tsy tahaka ny teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey telo taona lasa izay.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT