72 ora mahery izao no nahavitan’ireo vondrona politika am-polony maro sonia ilay sori-dalana. Na dia nihizingizina tamin’ilay tolotra nataon’ny Dr Tomaz Salomao, Sekrterea mpanatanteraky ny SADC aza ireo mpomba ny FAT dia tsy afa-nanoatra nanoloana ny fialan-tsiny nataon’itsy voalahany, fa tsy maintsy niroso tamin’ny fanaovan-tsonia.
Raha ny lojikany, raha tena manana finiavana hamaha ny olana sy hanatanteraka izay voalazan’ilay sori-dalana ireo eo anivon’ny FAT dia tokony ho niroso tamin’ny fametraham-pialana avy hatrany ny Praiminisitra ary noravana ny governemanta, ka fampandehanan-draharaha ankapobeny no atao eny anivon’ny ministera izay asa azo ankinina amin’ireo Sekretera jeneraly mba hitsitsiana ny volam-panjakana, mandra-pitsangan’ny governemanta tetezamita tena izy, araka izay voarakitr’ilay sori-dalana tapaka tany Sandton ary nosoniavin’ireo ankolafy politika rehetra afa tsy ny ankolafy Ratsiraka. Raha mihaino ny ambaran’ireo mpanara-dia ny FAT dia toa tsy mbola vonona hiroso amin’ny fametrahana ny tena tetezamita izy ireo fa toa karazan’ny mandrangaranga indray aza fa miandry an-dRavalomanana ny fonja raha hody eto tokoa ity filoham-pirenena teo aloha ity.
Ny fandrangarangana fitsarana ho an’ny filoha Marc Ravalomanana ve anefa hitondra fitoniana tokoa ? Miantso ny amin’ny tsy tokony hanaovana adivarotra be intsony koa, ohatra, i Yves Aimé Rakotoarisoa, minisi-panjakana misahana ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ankehitriny, fa dia hoe hatao izay hisian’ny fitoniana. Raha ny hita aloha hatreto dia toa tsy manana finiavana politika hamaha ny olana ny FAT fa dia natao fe natao fotsiny ihany ny sonian’ilay sori-dalana. Ny SADC no heverina fa hametraka sy handray fepetra amin’ny fomba hanatanterahana izay voalazan’ny sori-dalana ka neken’ny besinimaro. Ny olana anefa dia toa karazan’ny nametraka izy ireo dia lasa. Dia fanontaniana hafa apetrak’ireo mpanara-baovao raha toa ka ho very an-javona toy ireo sonia telo efa vita teo aloha indray ity vita tamin’ny zoma 16 septambra tao amin’ny Le Paon d’or Antanetibe Ivato ity. Ny ampitso no hamaritra ny hoavy.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.