Politique

FAT Potika ny tanŕna


  • Alatsinainy 05 Martsa 2012

Manapotika ! Io no nanamarika ny fijoroan’ny Fahefana avon’ny tetezamita ary namela takaitra sy fery sarotra sitranina mandraka ankehitriny.

Fotodrafitrasa, rafi-pisainana, fiarahamonina, toekarena, asa, fianarana, fahasalamana … tsy misy izay tsy potika sy mitotongana avokoa, eny hatramin’ny fanatanjahantena koa aza. Ny andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina ny olona teny an-dalambe dia efa fanapotehana no naterany. Lasibatra voalohany tamin’izany ny safidim-bahoaka. Ny ho Ben’ny tanàna no “contrat” nifanaovan’Antananarivo taminy, nefa dia ny nihantsy filoham-pirenena voafidim-bahoaka indray no nihazakazahany. Mbola tsaroana ny zava-nitranga ny alahady 25 janoary 2009, raha nanafohy ny diany ka niverina an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana. Fananan’olon-tsotra maro, fiara indrindra indrindra, no nopotehan’ireo mpomba an-dRajoelina. Ny ampitson’io, ny alatsinainy 26 janoary 2009, nirehitra i Madagasikara ! Notarihin’i Andry Rajoelina teny Anosy ny olony. Nitatra tamin’ny famotehana ny haino aman-jerim-panjakana, izay vako-pirenana, ary dia nitohy tamin’ny famotehana fotodrafitrasa sy orinasa maro, tsy nanavahana fa dia lasibatra hatramin’ny fananan’olon-tsotra, tsy teto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny Faritra ihany koa. Nahazo anarana «Lundi noir» mihitsy io andro alatsinainy io. Asa maro no very vokatr’io. Horohoro hatrany no niainan’ny mponina teto an-drenivohitra isaky ny mirava ny famoriam-bahoaka nataon’i Andry Rajoelina teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey.

Mbola tsaroan’ny maro ihany koa ny vaky trano nataon’ny tarik’i Andry Rajoelina, nakana ministera teny Anosy tamin’ny febroary 2009, fihetsika izay vao mainka nampirongatra ny asa fandrobana ka ny lehibe indrindra tamin’izany dia ny fandrombaham-pahefana tamin’ny alalan’ny hery nitranga tamin’ny martsa 2009, izay niteraka izao krizy lavareny mampikatso ny firenena izao ka nahatapaka tarangana ny famatsiam-bola ivelany ary nahavery asa maro, raha tsy hiteny afa-tsy ny AGOA. Mibaribary ny fiantraikan’izany ankehitriny. Ny hita maso dia ny resaka fotodrafitrasa.

Potika ny lalana, na lalam-paritany io, na lalam-pirenena, tsy resahina ny any ambanivolo rehetra any. Andrenesana fitarainana mikasika io fahatapahan-dalana io avokoa ny lafivalon’ny Nosy, raha mba mihaino ny haino amanjerim-panjakana. Rava ny sekoly, simba ny hopitaly, vaky ny tohodrano, potika ny tetezana, toy ny hita etsy Ambohimangakely. Ary ny loza dia toa jerem-potsiny ! Potika ny toekarena, tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Potika ny rafi-pihariana mifototra tamin’ny fifaninanana sy ny famokarana mitodika amin’ny tsena efa najoro teto. Potika ny fiarahamonina sosialy sy politika fa nampidirana ny zarazarao hanjakana. Potika ny soatoavina fa dia ny akamakama sy ny resa-pianakaviana no indray manjaka amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana indrindra amin’ny fanendrena mpiasa ambony, izay mampimenomenona ireo diplaomaty Malagasy matihanina amin’izao fotoana izao ary fototry ny fitokonana teo anivon’ny Banky Foibe farany teo. Hatramin’ny tondrozotra nifanarahana ary nankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao aza tadiavin’ny sasany hopotehina indray koa.

Nanenina ary izao vao tonga saina ireo teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ireny 2009 ireo fa potika ny fiainan’izy ireo, tsy arakaraka ny fampanantenana nipoapoaka natao azy ireo. Izao aza dia mety mbola hivaro-pananana koa manoloana ity fisondrotam-bidy samihafa miseho lany ankehitriny ity. Koa mandrapahoviana vao hiato izao famotehana izao, fa potika sy rotika ny tanàna e ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT