Gravy ! Izany no lasa ambetin-tenin’ny tsirairay manoloana ny kolikoly mihoa-pampana misy ankehitriny.
Hatramin’ny nipetrahan-dry zalahy ireo teo amin’ny fitondrana manko dia niverina tanteraka ny “manomeza kely”. Hatrany amin’ny faratampony sy goavana indrindra, hatraty amin’ny farany ambany, dia tsy misy intsony ny fahazotoana tamin’ny “miasa mafy, miasa tsara” teo aloha. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no naheno isika fa dia ilan-dry zalahy mpitondra vaniny mafy ankehitriny ny fitrandrahana nikela sy kobalta atsy Moramanga. Tsy misy tsy maharakatra nefa ny olona fa miandry tsolotra indray ry zalahy amin’izay, satria dia fantany tsara fa efa roboka tamin’ny fandoavam-bola lehibe ny orinasa mpitrandraka ka azo ampifilaina soa aman-tsara. Dia amoronana ity atsanga tsy aman’orana rehetra ity ilay orinasa nefa dia fantatra tsara izao ny maha zava-dehibe ho an’ny tanindrazana izany fitrandrahana izany, satria mba ho afaka hanondrana izany ny firenentsika, ka hisy vola vahiny hiditra betsaka eto ka mety mba azo hampihenana ny sandan’ny vola vahiny.
Etsy andaniny indray, dia tato ho ato dia tsy mitsahatra mahare ny fanondranana vato sarobidy sy hazo sarobidy isika. Baranahiny tanteraka mantsy hatrany amin’ny fangalana, ka hatreny amin’ny fanondranana. Dia lasan’ny vahiny mora foana ireo harem-pirenena noho ny fitiavan-kelin’ny sasany.
Aty amin’ny ivaiva indray, dia efa miverina eny anivon’ny Fokontany ny tsolotra isan-karazany. Raha hanao taratasy na hanenjika raharaha maika ianao dia efa mahazo ny “mametraha kely”. Aiza re ilay fanajan’ny mpiasam-panjakana ny vahoaka teo aloha e ? Izany dia noho ny tahotra ny Bianco. Ankehitriny ity farany, dia efa lasa fitaovana politika fotsiny sisa. Taiza teto amin’izao tontolo izao tokoa moa no nisy dosie navoaka, ka ilay mpamoaka ilay “secret” indray no nahazo fandrahonana, fa ilay olona voakasik’ilay dosie tsy nahitana, na fanadihadiana fototra fotsiny aza ?
Eny an-dalambe moa dia vaky vava ny vahoaka madinika sy ny mpitatitra amin’ny kolikoly miverina tanteraka amin’ny andavanandro. Vao manolotra “papier” dia efa misisika ao ny “entana”, dia mifampitsiky kely fotsiny ihany dia samy lasa. Raha vao miseho manara-dalàna ianao, dia efa filam-baniny no azo.
Miverina tahaka izany ihany koa ny vola atsipy kely ho an’ireo mpanampina arabe (tahaka ny tamin’ny taona 80), satria dia tsy mahavita na inona na inona intsony ny fanjakana fa dia ny olona samy olona no mifanampy. Tamin’ny herinandro teo izao dia tapaka ny tetezana amin’ny lalana makany Antsiranana, ka mila “mametraka kely” ny fiara vao voatarika hiampita rano. Dia hojerena fotsiny tahaka ilay tetezana etsy Ambohimangakely ihany koa ve izany sanatria ? Dia ilaozana mandany vola amin’ny endrika ivelany sy ny haingon-tanàna ny fitondrana ka ny filana fototra no lasa banga tanteraka ankehitriny.
Tsy misy voafehin’ireo milaza ho mpitondra ankehitriny afa-tsy ny fanaovana lanonana sy fety. Mijaly ny vahoaka Malagasy, ny fiainana sady miakatra, ny kolikoly etsy andaniny, ry zalahy tsy manaiky fa hidongy eo amin’ny toerana foana noho ny fitiavan-tena.
Tevez
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.