Politique

FAT Mandray fanapahan-kevitra mifanohitra


  • Zoma 23 Septambra 2011

Dia mbola miseho masoandro ihany ny fomba fiasa hafahafan’ny FAT. Ao anatin’ny herinandro dia misy ireo fanapahan-kevitra mifanohitra raisina.

 Navoaka ny NOTAM na «Note To Airmen» milaza fa tsy afaka miditra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara hatramin’ny volana desambra 2011 Atoa Marc Ravalomanana. Nony avy eo indray dia nambara fa ho avy any Afrika Atsimo hisambotra azy ary hitondra azy eto Madagasikara ny mpitandro ny filaminana. Mibaribary eto fa dia atao araka izay maha diavolana ny sain’ny mpitondra fotsiny ny fanapahan-kevitra raisina. Azo natao tsara ny tsy namoaka NOTAM intsony fa tonga dia izay fomba hampodiana eto Madagasikara ity filoha teo aloha ity no noeritreretina. Mampametra-panontaniana ihany koa ny hoe : tena vonona hametraka ny fitoniana eto marina ve i Andry Rajoelina sy ny ekipany sa mitady savorovoro sy gidragidra ? Soniavina ny sori-dalana, avy eo anefa fisamborana filohan’Ankolafy no arangaranga.

Dia efa mazava ny resaka fa na haniry nify aza ny akoho dia tsy hanaiky ny hidiran’ingahy Ravalomanana eto mihitsy ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny FAT ary hanao izay fomba rehetra hanakanana izany. Mety tena ho vitan’ireo miaramila manohana an’i Andry Rajoelina mihitsy, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy ny hitifitra ny fiaramanidina hitondra an’Atoa Marc Ravalomanana ary tsy hampisalasala azy ireo ny hamono azy raha tafiditra eto izy. Zavatra efa mpitranga any amina firenena maro izany, ary fomba fiady amin’ny politika ihany koa. Tsaroana eto ny antony nampirehitra ny adim-poko tany Rwanda fa raha iny avy nanasonia ny sori-dalana iny ny filoha Juvénil Abiryamana no nidoboka ny fiaramanidina nitondra azy. Tsy fantatra mazava hatramin’izay tena namono azy fa ny siosion-dresaka no nahafantarana fa tafiditra tao anatin’izany ny Frantsay. Mila fandaminana sy fitandremana goavana, araka izany, Atoa Ravalomanana raha tena ho avy eto Madagasikara satria misy mihitsy ireo olona mikaroka ny fomba rehetra tsy hahatanterahana izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT