Raiki-dolo ary mampitsangam-bolo ny FAT loatra ny anarana Ravalomanana. Katahotra e ! Eny ka hatramin’ny zaza amam-behivavy aza ka mitondra ny anarana Ravalomanana dia atahorany ka sakanana amin’ny fomba rehetra ny hidirany an-tanindrazana.
Tsy ny lahy ihany mantsy no nosakanana tsy hiditra an-tanindrazana, raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ny 21 janoary 2012, fa teo koa ny vavy izay tokony hody an-tanindrazana ny sabotsy 04 febroary 2012 lasa teo. Io sabotsy io tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no tokony nigatona teto Madagasikara Rtoa Lalao Ravalomanana rehefa sesitany tany politika tany Afrika Atsimo nandritry ny telo taona, niaraka tamin’ny fianakaviany. Nisy fahatarana anefa ny fahatongavan’ ny zotram-piaramanidina SA8252 an’ny kaompania Air Link avy any Afrika Atsimo tokony niondranan’ny vadin’ny filoha Ravalomanana. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany teo ho eo dia nampita vaovao tamin’ireo vahoaka tonga marobe nitsena an-dRtoa Ravalomanana ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana notarihin’i Mamy Rakotoarivelo, lehiben’ny delegasiona sady filohan’ny Kongresin’ny tetezamita.
Tamin’izany no nanazavan’ity farany fa nisy indray taratasy nalefan’ny minisitry ny fitaterana avy eto Madagasikara nandrahona ny kompaniam-pitaterana Air Link tsy hitondra an-dRtoa Ravalomanana izay efa nahazo ny taratasim-piondranana. Voalaza ao anatin’izany taratasy, araka ny fanazavan’i Mamy Rakotoarivelo hatrany fa tsy miantoka ny ain’ny fianakaviana Ravalomanana ny fanjakana raha toa ka hitondra azy ireo ity kompaniam-pitaterana ity fa andraikitry ny Air Link izany. Ankoatra izay dia voalaza ihany koa, raha ny fanazavana ihany fa raha mitondra an-dRtoa Ravalomanana ny Air Link dia hiverina indray ny zavatra nitranga ny 21 janoary 2012, izany hoe hihidy ny seranam-piaramanidina ary dia tsy afaka hipetraka eny Ivato ilay fiaramanidina ka dia hiveri-maina any Afrika Atsimo ity zotram-piaramanidina ity miaraka amin’ireo mpandeha tsy manan-tsiny nentiny. Ho an’ny annkolafy Ravalomanana dia karazana NOTAM ihany izao nataon’ny minisitry ny fitaterana izao na dia nilaza aza ny FAT fa tsy hamoaka NOTAM intsony. Manoloana izany indrindra dia tsy maintsy hisy fepetra horaisin’ny ankolafy satria tsy azo ekena intsony, hoy Me Hanitra Razafimanantsoa, filoha lefitry ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Mbola hivory anefa ny ankolafy Ravalomanana miaraka amin’ny filoha Ravalomanana handinihina izay fepetra horaisina izay, hoy i Mamy Rakotoarivelo saingy tsy azo atao maimaika izany fa atao am-pisainana. Heverina fa ho fantatra amin’izao fiandohan’ny herinandro izao moa izay fanapahan-kevitry ny ankolafy Ravalomanana izay.
Tsangan’olona
Mikasika ity raharaha ity dia nampanantsoin’ny praiminisitra Omer Beriziky teny Mahazoarivo ny minisitry ny fitaterana sy ny sekretera jeneraliny, hanazava aminy ny antony nandefasana ilay taratasy. Mbola voaporofo teto indray fa sady tsy niarahana no tsy nampahafantarina mialoha ny praiminisitra ny fandraisana ity fanapahan-kevitra handefa taratasy tany amin’ny Airlink ity. Tsangan’olona fotsiny ny praiminisitra.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.