Kaomiseran’ny polisy dimy ary ofisie an’ny zandary dimy hafa no hiainga eto an-tanindrazana amin’ny fotoana izay tsy mbola fantatra ary hihazo an’i Afrika Atsimo.
Omaly aza dia efa nisy manamboninahitra zandary, kolonely sy lietna kolonely, ary Inspektera polisy iray nanao pasipaoro maika dia maika tao amin’ny sampandraharaha fanaovana izany teny Anosy. Ny baiko azon’ireto mpitandro ny filaminana ireto dia ny hisambotra ny Filoha Marc Ravalomanana izay mialokaloka politika ao Afrika Atsimo, taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Omaly no nivoaka ny taratasy manome alalana an’ireto olona ireto. Ny filohan’ny FAT sy ny lehiben’ny fampanoavana no manasonia azy io. Niditra tamin’ny fahitalavitra rahateo ny jeneraly Richard Ravalomanana, lehiben’ny Emmo-Reg nanamarina an’izay. Fa angaha moa tsy ny fiarovana ny faritr’Analamanga ihany no tokony hiandraiketan’ny Jeneraly Richard Ravalomanana ? Ankoatra izay, fa angaha afaka maneho hevitra indray ny miaramila ? Raha nanontaniana momba ity raharaha ity ny masoivohon’i Afrika Atsimo izay hanome ny “visa” ho an’ireto mpitandro ny filaminana ireto dia nilaza fa tsy mbola nahare ity vaovao ity. Raha ny marina anefa dia tsy maintsy ity masoivoho ity no tompon’ny teny farany amin’ny fanomezan-dalana ireo mpitandro ny filaminana ireo. Mety hisy fiantraikany amin’ny filaminana anatiny any an-toerana ity fisamborana filoha ity. Valin-teny diplaomatika ihany rahateo ny azy, fa ny ao ambadiky ny teniny dia nofinofy ny an’ny FAT ny amin’izay handefa olona hisambotra ny filoha Marc Ravalomanana any an-taniny.
Hajain’ny Afrikanina Tatsimo amin’ny maha filoham-pirenena azy io olona io, ary omeny ny haja sy voninahitra ary ny zo mifanaraka amin’izany, indrindra ny lafiny fiarovana azy. Omaly no nivoaka ilay taratasy ary efa niparitaka tamin’ny tompon’andraikitra ambonin’ireo vondrona roa voalaza dia ny zandary sy ny polisy. Ny fanadihadiana natao hatrany no nahafantarana fa tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra niraisan’ny fitsarana afrikanina tatsimo sy fitsarana Malagasy momba ity raharaha ity. Izany hoe tsy mbola misy ny antsoina hoe “commission rogatoire” izay ahafahana misambotra olona iray any amin’ny toerana ivelan’ny tanindrazany. Ny hany tsy fantatra dia ny hoe efa misy ve ny didy fampisamborana neken’ny Interpol, sa izy ireo no FBI Gasy ? Izao tontolo izao anefa dia mahalala tsara fa fitondrana mpanongam-panjakana no misy eto, ary tsy misy mankato azy maneran-tany.
Olona voasazin’ny iraisam-pirenena rahateo ny mpitondra amin’izao fotoana. Karazan’ny famakiana ady amin’ny Afrikanina Tatsimo ihany ny filazana fa handefa miaramila amin’ny alalan’ny fiaramanidina manokana, tsy mila fahazoan-dalana akory, hihazo ity firenena matanjaka indrindra eto Afrika ity ary anisan’ireo firenena 20 matanjaka indrindra manerana izao tontolo izao. Handeha hitsangantsangana hanao fizahantany angaha ! Na izany aza dia marobe ny fanontaniana mipetraka. Miendrika tsy fanarahan-dalàna avy hatrany mantsy ity tanjon’ny FAT ity. Ny mivandravandra aloha dia atahorana tanteraka i Marc Ravalomanana. Teo ny fitsarana azy izay natao peta-toko, teo ihany koa ny NOTAM in-droa miantoana ny febroary 2011 sy ny septambra 2011 sy ity didy fampisamborana efa hatramin’ny 2010 ity. Ary izao aza dia hoe alaina any Afrika Atsimo mihitsy izy. Amin’ny lafiny iray dia toa mitady loza ihany ireto mpitandro ny filaminana ireto satria ny fanjakana Afrikanina Atsimo dia miaraka amin-dRavalomanana hatrany ary niaro ny zony. Misy dikany rahateo matoa izy ao no mialokaloka. Dia an’iza indray ny tsiny raha sanatria ka raikitra ny gidragidra aorian’izao ?
Samy sy Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.