Politique

FAT Hamafa ny zava-bitan’i Nadine Ramaroson ?


  • Alarobia 14 Septambra 2011

Tsikaritra tamin’ny fanapahan-kevitry ny FAT farany teo fa mirotsaka lalindalina kokoa amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny fanjakana, na ny fiadidiana ny fahefana avon’ny tetezamita raha ny marina kokoa.

 Tao Ambohitsorohitra mihitsy no nampiantranoana ireo fianakaviana sahirana mila fanampiana sy fanohanana, ary ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa akaiky aminy amin’ny sehatry ny sosialy Rtoa Michèle Ratsivalaka no nanao ny hetsika. Taorian’ny Tsena Mora isaky ny alarobia sy ny sabotsy izany dia tonga indray ny zoma hanampiana ireo sahirana. Mampatsiahy ny fomban’ireo Karàna sasany eto amintsika izany. Tsy misy maharatsy mihitsy ny fanampiana sy fanohanana ny sahirana, fa na izany aza maro ihany no mahatsikaritra fa toa misy ambadika politika ihany ity hetsika ity.

Raha tsorina ny resaka dia toa hetsika natao mihitsy mba hamafana tsimoramora ny zava-bitan’ny minisitry ny mponina teo aloha Nadine Ramaroson izay nalaza nanerana an’i Madagasikara tamin’ny fijerena sy fanampiana ny ory sy sahirana ilay izy. Manampy izay dia nandritra io hetsika voalohany teny Ambohitsorohitra io no nanambaran’ny filohan’ny FAT fa hotendrena tsy ho ela ny minisitry ny mponina vaovao. Raha ny fahitan’ny mpanara-baovao azy dia tsara toerana amin’izay Rtoa Michèle Ratsivalaka izay anisan’ireo olona atokisan’ny filohan’ny FAT. Tato ho ato izay dia manomboka miseho vahoaka matetika Rtoa Ratsivalaka. Mihazakazaka ny toe-draharaha satria andro vitsy taorian’ny nanendren’ny fianakaviany an’i Alain Ramaroson mba handimby ny asa sosialy nataon’Itompokovavy Nadine Ramaroson no mipoitra izao tetikasa sosialin’ny FAT izao.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT