Resabe ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo amin’izao ny fanendrena izay ho governoran’iny faritra iny, raha ny nambaran’ireo mpanara-baovao monina any an-toerana.
Samy manana ny fomba fijeriny ireo olona nanaovana fanadihadiana toy ny tao Analanjirofo izay sahy milaza fa tsy tokony ho olona manampahefana ambony efa avy nisahana fitantanana ny raharaham-pirenena sy sampandraharaha nahenoana laza ratsy tamin’ireo toerana efa niasany no ho eo . Misy amin’ireo manampahefana ao an-toerana no milofo amin’ny fanohanana mpifaninana ho eo amin’ny toeran’ny governora kanefa misy efa manana laza ratsy ny sasany amin’izy ireny, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra. Tsy ny ao amin’ny faritra Analanjirofo ihany no ahitana ity olana ity fa ao Atsinanana koa. Ity faritra voalaza farany ity izay vavahady lehibe fidirana eto Madagasikara noho ny fananany ny seranan-tsambo goavana. Mikasika ity tohina fanendrena governora ity moa dia efa nanafatra ny avy eo anivon’ny faribolam-pandinihana Silamo tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Moussa Soalihy, fa miandrandra governora mahafantatra ny faritra ary manana ny antsoina hoe “sentiment d’appartenance” ny mponina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.