Politique

Faritra Atsinanana Miandry an-dRavalo ny vahoaka


  • Alatsinainy 20 Febroary 2012

Faritra anisan’ny voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna ny Faritra Atsinanana.

 Saika potika avokoa ny voly sy ny fotodrafitrasa maro raha tsy hiteny afa-tsy ny lalana. Hatreto aloha dia mandeha tsikelikely ny fanampiana izay mbola mifototra amin’ireo tena tsy azo hanoharana toy ny sakafo sy ny kojakoja andavanandro fa ny momba ny fanarenana dia mbola lavitr’ezaka ny asa. Iaraha-mahalala rahateo fa tsy ampy mba tsy ilazana fa tsy manana ny enti-manana ho amin’izany ny fanjakana satria mbola mihantona ireo fanampiana avy any ivelany. Manoloana ny fahasarotan’ny fiainana sy fanarenana ny firenena izay dia nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy fa miandry ary manantena ny fodian-dRavalomanana ny vahoaka any amin’iny Faritra Atsinanana iny. Raha ny fanazavana manko dia nahavita be tamin’ny sehatra maro ny filoha teo aloha. Ohatra amin’izany ny tantsoroka azon’ireo tantsaha, eo koa ny fahavitan’ny lalana amin’iny faritra iny izay nanova ny fiainan’ny mponina. Toamasina, izay ao anatin’ny Faritra Atsinanana rahateo dia lasa renivohitra ara-toekarena noho ny ezaka vita. Mbola manantena ny fitohizan’izay fampandrosoana izay ny vahoaka amin’iny Faritra iny, araka ny fanazavana ihany. Manoloana izany indrindra dia ny Malagasy 20 tapitrisa no tokony hitsara an-Ravalomanana na tokony hitondra ny firenena izy na tsia, hoy i Manoela Ralaimampisainarinony. Tsy mitombina ny filazana fa hikorontana ny Malagasy rehefa tonga eto Ravalomanana, hoy ihany izy. Notsiahivin’ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity moa fa tsy mitovy ny zava-nitranga teto amin’ny firenena ny taona 1991, 2002 ary 2009. Ny taona 1991 dia hetsi-bahoaka nanonganana ny fanjakana, ny 2002 fitakiana ny fanajana ny safidim-bahoaka ary ny 2009 dia fanonganam-panjakana notohanan’ireo miaramila.
Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT