Politique

Faritra Atsimo Andrefana Tezitra ireo niasa maina tamin’ny fifidianana


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia ny ankamaroan’ireo niantoka ny fampandehanan-draharaha tamin’ireny fifidianana tamin’ny taona 2019 ireny tany Atsimo Andrefana Faritanin’i Toliara na ny fifidianana solombavambahoaka

 na ny ben’ny tanàna sy mpanolotsaina dia tsy mbola nisy voaloa vola hatramin’izao. Ireo tompon’andraikitra avy any amin’ireo “percepteur principal” avy any amin’ny distrika dia nilaza fa efa tonga ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana (Trésor Public) ao Toliara daholo ny taratasy mahakasika izany ka ny fikarakaran’izy ireo ao ny “virement” no andrasana, hoy ny loharanom-baovao. Ny mahagaga dia misy ireo  vitsivitsy efa vita hatry ny ela ny fanaovana “virement” ka afaka nisitraka ny volany ny mpamatsy “fournisseurs” sy “prestataires” .  Rehefa an’iza ny dosie dia mandeha tsy misy olana ?. Mbola hitohy moa ny tantara aorian’ny 31 janoary 2020 daty farany ahafahana mahita ny natao “virement” ihany sy ireo niantoka ny asan’ny CENI nefa hasaina miala maina.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT