Politique

Faritra Anôsy Fady an-dRajoelina ?


  • Zoma 30 Martsa 2012

Tao anatin’ny telo taona nanonganan’i Andry Rajoelina ny fitondrana Marc Ravalomanana dia tsy mbola nandingana iny faritra Anôsy iny na dia in-dray maraina aza ity Ben’ny tanŕnan’Antananarivo teo aloha ity.

 Tsy fantatra izay tena antony. Samy mametra-panotaniana avokoa ny rehetra, na olo-tsotra io na olom-panjakana. Ireo praiminisitra telo lahy nifandimby nitantana ny governemanta, niainga tamin’i Monja Roindefo, nandalo tamin’i Camille Vital sy i Beriziky Jean Omer ankehitriny io anefa dia efa nifandimby nitsidika ity Faritra iray ity avokoa. I Andry Rajoelina no tsy mbola nandingana tany. Nandrasana ny fahatongavany tany nandritra ilay fihaonana iraisam-pirenena ara-toekarena, niarahana tamin’ireo nosy aty amin’ny ranomasim-be Indiana tamin’ny taon-dasa iny, hetsika nokarakarain’ny federasionan’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria, saingy zava-poana. Tahotra sa tsy fahatokisana ny zanak’Anôsy ? Tsy midika anefa izany fa mitomany te hovangian’i Andry Rajoelina ny zanak’Anôsy. Na ny TGV sy ny UDR-C, mpiara-dia sy mpanohana mahafatrapo ny fitondrany aza tsy sahy miseho masoandro any.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT