Nihaona manokana tao amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely omaly talata 6 febroary ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, ireo mpikambana avy ao amin’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy dia ny jeneraly Charles Rabemananjara sy Razaka Oliva,
ny Prefen’Antananarivo, jeneraly Angelo Christian Ravelonarivo, ny lehiben’ny faritra Analamanga Ndranto Rakotonanahary. Tanjona tamin’izany ny hisian’ny fampihavanana hahafaha-mikatsaka ny tombontsoan’ny renivohitra sy ny faritra ary ny faritanin’Antananarivo mipaka amin’ny firenena. Samy nanaiky ny rehetra fa zava-dehibe ny fiaraha-mijery ny tombontsoam-bahoaka, ka ny faritra Analamanga sy ny kaominina Antananarivo no hatao fitaratra amin’ny fampihavanana sy ho loha-masinina hitarika ny rehetra amin’izany, raha ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny faritra Ndranto Rakotonanahary. Tsy hijanona eo io fihaonana sy fampihavanana io fa hitohy eny amin’ny biraon’ny faritra eny Ambohidahy, avy eo eny amin’ny prefektioran’ny polisy Tsimbazaza. "Maniry firenena iray mendrika isika mba hahafahantsika miaina ao anatin'ny fandriampahalemana sy ny firindrana ara-tsosialy ", hoy ny an-daniny. "Ny zava-drehetra dia mangarahara. Ireo mpanao gazety dia hantsoina tsy ho ela mba hahafahan’izy ireo hahalala ny pitsopitsony sy ny sasantsasany amin'ireo dingana noraisina. Samy manana ny andraikiny anefa ny tsirairay, raha ny fanehoan-kevitr’i Oliva Razaka. Mandeha ny fampihavanana eny antsefatsefany eny. Fa mifanindran-dalana amin’izay ihany koa anefa ny karazana antsojay misy amin’izao fotoana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.