Teo imason’ireo vahiny nasainy no namaky bantsilana ny lehiben’ny faritra fa misy olona manenjika azy avy eo anivon’ny prefektiora. Ny anarana sisa no tsy notononiny fa efa nofaritany ny mombamomba an’ilay olona.
Gaga sy talanjona ireo vahiny nasaina nahita izato fihetsiky ny lehiben’ny faritra tsy nitsitsy fitenenana. Firariantsoa noho ny taom-baovao no nantenain’ny rehetra kinanjo zary rahom-bava sy teny tsy voalanjalanja no nivoaka tamin’ny vavan’ny lehiben’ny faritra. F’angaha dia tsy azo natao ny nampiantso ilay olona mangingina dia nifampiresaka tany ambadika tany fa tsy naseho vahoaka ny fahalemena. Raha nandray fitenenana koa ny Prefe dia tsy nihambahamba namoaka ny tao am-pony ka nilaza fa misy ireo karazan’olona tsy mihevitra afa tsy ny hanelingelina sy hitsikera be fahatany fotsiny. Lasa fifamaliana ilay kabary tamina lanonana ofisialy, tsy menatr’olona ary tsy nahay nanaja tena ireto manampahefana any Alaotra Mangoro ireto. Nahitsy ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao nananatra ireo mpitondra ao Alaotra Mangoro. Aza lany andro amin’ny fifampitorohana fa leo izahay, hoy izy. Vahao ny olanareo. Samia manao ny andraikitrareo. Tiana ny mampahafantatra fa nahazo vahana tao ho ao tany Alaotra Mangoro ny fifanenjehana eo amin’ny samy mpitondra fanjakana ka zary tavela ny asa fampandrosoana ny faritra.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.