Politique

Faritanin’i Toamasina Mampiahiahy ny mponina ny hoaviny


  • Talata 29 Janoary 2019

Goavana ny vina napetraky ny filoham-pirenena vaovao mikasika an’i Toamasina, raha mijery ny IEM sy ny velirano, hoy ireo mponina avy any an-toerana naharaisana fitarainana. Eo ihany ny tetikasa Miami fa eo indrindra koa ny resaka seranan-tsambo.

 

 

Ny zava-nisy hatramin’ny taona 2009 anefa, hoy ny valivontaka iray mandalo eto Antananarivo, dia lasa toeram-pamaharana hitadiavana seza fotsiny ity faritra ity. Tsy nisy fampandrosoana fa mipetraka ny ahiahy hoe misy minisitra iray izay in-droa voatendry tao anatin’ny governemanta Ntsay toa zary lasa “Patron politique” ao an-toerana. Isan’ny nahatsikaretana izany ny trakta mandehandeha ao an-toerana tamin’ity herinandro ity, raha ny fampitam-baovao hatrany. Maro tamin’ireo vondrona izay tsy ao anatin’ny antokon’ny fitondrana nanohana ny filoham-pirenena vaovao no sorena satria izay tomponandraikitra natosik’io minisitra io ka tafakatra teo amin’ny fitantanana ny faritra dia saika tsy nitondra soa ho an’i Toamasina avokoa ary saika fototr’ireo famarotana tany tany an-toerana. Manao antso avo ny mpitondra foibe mba hijery ny zava-misy any an-toerana ireo mponina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT