Politique

Faran’ny herinandro Betsaka ireo nitsoaka tany Toamasina


  • Alatsinainy 21 Mey 2012

Feno fiara Mondeo sy Camry ary ireo fiara Toyota 4x4 V8 an’ireo mpitondra tetezamita ny tananan’i Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

 Ny zoma no efa nameno tanàna ireo kazana fiara tsy fahita firy ao Toamasina ireo. Nisy ireo nipetraka tany amin’ny havany sy sakaiza tsy mahafohy, tao kosa anefa ireo nanofa trano fandraisam-bahiny avo lenta sy ny moderna, izay mampanontany tena hoe : iza no niantoka ny fandanian’izy ireo tamin’izao diany tsy misy antony arak’asa tao Toamasina izao. Tazana tany ny minisitry ny fitsarana. Ny zoma tolakandro izy no tonga tamin’ny fiaramanidina tany. Tsikaritra koa ny minisitry ny filaminana anatiny. Ny minisitry ny fizahantany indray dia tsara “sanjila” satria sady nitokana trano fandraisam-bahiny vaovao no afaka niala an’Antananarivo ihany koa. Nifanandrify tamin’ny hetsika nafanafana teto Antananarivo ity rodorodo tany Toamasina ity sa tahotry ny mety ho fivadian-javatra tampoka ? Midika anefa izao fa tsy milamina ny tanàna, tsy milamina ny tontolo politika ary mahatsapa ny fitroaram-bahoaka ny FAT saingy minia mamono sofina noho ny seza.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT