Niteraka resabe tany Farafangana ny tsy nahatongavan’ny Pr Alain Tehindrazanarivelo tamin’ny fampielezan-kevitra tokony ho nataony tany an-toerana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ny tolakandron’ny sabotsy 11 oktobra teo no nisy ny famoriam-bahoaka tokony ho nataony tany an-toerana. Tangalamena, Ben’ny tanàna efa ho 90 isa, sefo Fokontany hatrany amin’ny 116, sy vahoaka maro no efa sasa-niandry saingy tsy tonga ity kandida ity, tsy nisy fampilazana na fialantsiny ka be no nahatsiaro voapetrapetraka.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.